Mifalia ao amin'ny Tompo

MIFALIA AO AMIN’NY TOMPO

 

       REPENDS-TOI

     Un homme alla devant le prètre et lui dit mon père ai pitié de moi car j'ai péché en voulant me pendre et le prètre de lui dire soi sans crainte va et repends-toi l'homme n'ayant rien compris alla se rependre au lieu de se répentir.


        ANDRIAMANITRA NO VAVOLOMBELONA

     Nifandona hono ny fiaran’ireto Mpitandrina roa, ary dia nifamaly teo izy mirahalahy. Ianao no diso, hoy ilay zokiny fa nangalatra à droite ianao. Tsia, hoy ilay mpitandrina zandriny, nandeha mafy ianao ka tsy voazonao intsony ny familiana dia nifatratra aty amiko.

Rehefa tonga tany amin’ny fitsaràna, mbola samy nifanjija izy roa lahy, dia nanotany ilay mpitandrina zokiny ny mpitsara:

        -  ”Manana vavolombelona ve hianao?

        -  Eny tompoko, Andriamanitra no vavolombelona

  Dia napetraka tamin’ilay zandriny koa ny fanontaniana

       - Ary ianao, manana vavolombelona ve?

       - Eny Tompoko, Andriamanitra koa ny ahy no vavolombelona!

 

Rehefa nisintona ny fitsaràna, nivoaka ny didy, tankina tsy nahateny izy roalahy:

       - Meloka ianareo roalahy satria nampidi-kizo an’Andriamanitra koa dia saziana telo volana an-tranomaizina! 

    Tandremo an! tsy miditra amin’ny adin’izao tontolo izao Andriamanitra

 

       ILAY MPANDIDY TSY MINO AN’ANDRIAMANITRA

     Hoy hono ity dokotera mpandidy iray sady nieboebo no naneso ilay tambanivohitra kristiana iray:

       - Betsaka ry ingahy ity izay olona nodidiako izay; fa mbola tsy nahita izay fanahy ao anatiny aho an!

       - Ny ahy koa, hoy ilay tambanivohitra, tsy taitra, efa nisinisy ihany izay vorona novonoiko izay fa mbola tsy nahita sifflet tao anatiny aho!

       -  …

 

 

        TSISY RAKITRA

 

    Nasaina hitarika fivavahana Alahady tany amin’ny fikambanan’ny olona miboridana (nudistes) hono ity mpitandrina iray.

    Dia nisy nametraka fanontaniana hono izy hoe: “Tsy sahirana ve ny saianao manoloana ireo olona mitanjaka 500  ampivavahanao?

    Ny tena manahirana ny saiko izao dia ny hoe, tsy hanao rakitra ve izany izy ireo, hoy ny mpitandrina.

            Pastera a! Ny vola ve no maha-maika sa ny FAMONJENA azy ireo mba ho hita mitafy izy fa tsy mitanjaka?

 

Nangonin'i Pt RANDRIANARISOA Jean Aimé

 

2 votes. Moyenne 3.50 sur 5.

Commentaires (2)

ANDRIANILAINA RABARIJAONA FANJATIANA TOLOTRA
  • 1. ANDRIANILAINA RABARIJAONA FANJATIANA TOLOTRA | 23/02/2011
falifaly lalandava miaraka amin' Ny Tompo!!!!!!!!!!!!!
misaotra indrindra ny mpizara fifaliana

itsikio kely anie Jesosy re olona e! fa tonga dia ataony mahita
JEREMIA 33:3 daholo isika e!!!
io fifaliana io mantsy no CREDIT ahazoana miantso io finday io e!!!!!!!!!
fpvmtsarahonenana
  • fpvmtsarahonenana (site web) | 11/03/2015
Dia misaotra indrindra Tompoko, ny voninahitra anie dia ho an'Andriamanitra irery ihany. Ny fahasoavany kosa ilay manana amby ampy hoaminao sy ny ankohonanao. R.Roger

Ajouter un commentaire

 

Bonjour, bien venu sur le site FPVM Fiombonana Tsarahonenana.

Faly miarahaba anao tonga soa eto amin'ny site FPVM Fiombonana Tsarahonenana. Mirary anao hahazo aim-panahy.