Fahalemem-panahy

"Ary Mosesy dia lehilahy malemy fanahy mihoatra ny olona rehetra aty ambonin’ny tany" Nomery 12:3

      Niditra tao amin’ny fiara fitateram-bahoaka ity renim-pianakaviana iray mitondra vohoka sady mitaiza kely. Tsy nahazaka izany fiara izany anefa ity zanany kely iray, nandoa avy hatrany ary dia feno lo ilay olona nipetraka teo akaikin’ity renim-pianakaviana. Raha mbola hatezerana ny an’ity lehilahy, ary nahavatra niteny tamin’ilay vehivavy mihitsy hoe “soloinao ity akanjoko ity”.

      Amin’izao andro iainantsika izao dia betsaka ny tranga tahaka an’izany, na eo anivon’ny ankohonana izany, ny fiaraha-monina, eo amin’ny firenena, ary na dia any anatin’ny Fiangonana aza. Mosesy kosa, hoy ny Soratra Masina eto, dia lehilahy malemy fanahy mihoatra ny olona rehetra aty ambonin’ny tany. Ndeha hojerentsika àry, fa iza marina moa Mosesy, nanao ahoana izany fahalemem-panahiny izany, ary inona no vokatr’izany?

      Mosesy dia teraka tany amin’ny taona 1200 tany ho any talohan’i Kristy, tany Gosena, tany Egypta izy ary avy amin’ny fokon’ny Levita, izay natokana hanao ny asa fisoronana tao amin’ny Tempoly. Tamin’izy vao teraka, dia nisy fandringanana ny zaza menavava hebreo rehetra tamin’izany fotoana izany, ary dia voatery ny reniny nanafina azy. Nalainy ny lakan-jozoro kely, dia nataony tao ny zaza ary nalefany teny amin’ny renirano. Rehefa nahita izany lakana nisy zaza izany ny zanakavavin’i Farao dia babon’ny endrik’ilay zaza ary dia nasainy notezaina ho azy. Nataony hoe “Mosesy” ny anarany satria “nalaina avy atamin’ny rano” no hevitr’izany.

      Rehefa lehibe izy dia nahita ny fahoriana sy ny fijalin’ny mpiray tanindrazana tamininy. Indray andro raha nahita izy egyptiana iray namovokovoka nampijaly hebreo , dia avy izy niditra an-tsehatra ka namono ilay egyptiana. Toy izany ihany koa, raha nahita hebreo samy hebreo izy dia nampihavana azy, saingy izy indray no nifoteran’izy roa lahy, ka voatery nandositra tany amin’ny tanin’ny Midiana. Efa-polo taona izy tamin’izany fotoana izany.

      Rehefa lehibe izy dia nahita ny fahoriana sy ny fijalin’ny mpiray tanindrazana tamininy. Indray andro raha nahita izy egyptiana iray namovokovoka nampijaly hebreo, dia avy izy niditra an-tsehatra ka namono ilay egyptiana. Toy izany ihany koa, raha nahita hebreo samy hebreo izy dia nampihavana azy, saingy izy indray no nifoteran’izy roa lahy, ka voatery nandositra tany amin’ny tanin’ny Midiana. Efa-polo taona izy tamin’izany fotoana izany.Ny fiainany amin’ny maha-olombelona azy talohan’ny antson’Andriamanitra. Raha izany no fakafakaina, dia ahitàna ny hafanam-po nirehitra tao anatiny. Voaporofo izany tamin’ny namonjeny an’ilay hebreo novonoin’ilay Egyptiana, sy ny nanasarahany an’ireo mpiray tanindrazana taminy niady an-trano. Toa azo adika izany fa mbola tsy nanana faharetana izy, na tsy nahafantatra ny tokony nataony, ka nahavanon-doza sy nahafaty olona. Hitantsika ny fahavoazana amin’ny hafanam-po diso toerana na ny fo rano mafàna dia mety hanenenana. Raha jerena izany ny 40 taona niainany voalohany, dia tsy dia azo namantarana izany fahalemem-panahy izany. Raha vao sendra toe-javatra iray izy, tsy nieritreritra tsara fa nafana fo be, tonga dia nandray fanapahan-kevitra, ary nahavanon-doza rehefa avy eo. Tonga nahafaty olona Mosesy noho izany hafanam-po maha-olombelona azy izany.

      Hitantsika amin’izao fotoana izao ihany koa, fa betsaka ny manana izany toetran’i Mosesy taloha izany, ka maneho ny fitiavana sy ny hafanam-pony amin’ny toe-javatra maro samihafa izay heveriny fa tokony handraisany andraikitra. Indrisy anefa, maro no manaonao foana, ka mahavita zava-doza eo amin’ny fiainana. Raha tsy hanome ohatra isika afa-tsy izay heverina ho tia tanindrazana, ny mpitolona any amin’ny sendika na ny fikambanaan’ny mpianatra, ny vahoaka madinika, ary tafapaka hatrany amin’ny asa fampihorohoroana izany zavatra izany. Tsy ahitana fahombiazana izany zavatra izany, ary raha maka ohatra isika amin’ireo firenena aty Afrika ohatra, izay mazana misy ny fanonganam-panjakana, dia faran’izay tsy mandroso, satria misy tsy filaminana, tsy faharetana, fitadiavana tombotsoa maro isan-karazany. Jereo ihany koa ny fiainan-tokantrano, ary saintsaino tsara izay tokony hatao, fa matetika ihany koa misy raim-pianakaviana tahaka an’I Mosesy taloha, ka mamono vady, mampahory zanaka, tonga fahavalon’ny fiaraha-monina ihany koa.

      Ny vanim-potoana faharoa niainany kosa, izany hoe tamin’izy valopolo taona no miakatra, nanomboka tamin’ny niantsoan’Andriamanitra azy no tena nahitana ny endriky ny fahalemem-panahiny. Andriamanitra rehefa miantso olona iray, dia manova azy aloha, hahafahany manatanteraka ny asa izay nifidianany azy. Tonga nanana faharetana izy, naharitra ny fahamafisam-pon’I Farao, niaritra ihany koa ny toetra sy ny fomban’ny vahoaka maro izay niaraka taminy, na tsara io na ratsy. Ary misongadina eto amin’ny Nomery 12 eto ny faharetany manoloana ny fianakaviany. Na inona na inona fahalemen’ireo rahalahiny sy anabaviny, dia Arona sy Mosesy izany, dia tsy nampiova ny toetra tsara tao anatiny. Inona loatra no anton’izany?

      Ny zavatra voalohany hitantsika ry Havana, Mosesy dia nihaona tamin’Andriamanitra sy ny fahamasinany. “Esory ny kapanao amin’ny tongotrao, fa tany masina io ijanonanao io” (Eks 3:5). Ny fihaonana amin’Andriamanitra masina dia mitarika antsika hanala ny zavatra maloto sy tsy mifanaraka amin’ny fahamasinan’Andriamanitra. Marika ihany koa izany ny fanesorana ny zavatra maha-olombelona rehetra, sy izay heverina fa mamatopatotra eo amin’ny fiainana. Ny kapa dia elanelana eo amin’ny tany izay lazaina fa masina satria misy an’Andriamanitra sy fihaonana Aminy, sy ny olona. Tsy maintsy esorina izany elanelana izany mba hifindran’ny fahamasinan’Andriamanitra amin’ny olona izay hihaona aminy, ka hahatonga antsika ihany koa ho masina. “Aoka ho masina hianareo satria masina Aho Jehovah Andriamanitrareo”, hoy Jehovah. Tonga manana ny toetran’Andriamanitra arak’izany ny olona izay tafahaona taminy, ary mazava ho azy fa miala sy miongotra izay tsy araka ny sitrapony. Io fihaonana teo an-tendrombohitra io no nanafaka tanteraka ny toetran’olombelona tao amin’I Mosesy.

      Faharoa manaraka izany, nahita ny roimemy nirehitra izy nefa tsy mety maty. Ny afo dia manambara ny Fanahin’Andriamanitra miredareda ao anatin’ny olona iray, tsy mety maty, rehefa nihaona tamin’Andriamanitra dia omeny ny Fanahiny. Izany Fanahy Masina izany ry havana no mitarika ny olona na ny kristiana hahafantatra ny sitrapon’Andriamanitra ary mitari-dalana azy hanatanteraka izany eo amin’ny fiainany. Mila mandeha araka ny Fanahy isika dia tsy hahatanteraka ny filan’ny nofo, satria ny asan’ny nofo, dia fandrafiana, ady lahy, fiavonavonana, sns…

      Nanana fahalemem-panahy i Mosesy satria ny Fanahin’Andriamanitra tao anatiny no nitarika azy hiankohoka sy handadilady ary henetry tena mandrakariva.

      Ndeha ary ho jerentsika izay nitranga tamin’i Mosesy sy ny mpiray tam-po aminy dia i Arona sy Miriama izany. Noho ny fanomezan-tsiny nataon’izy mianadahy taminy satria nanambady vehivavy tsy iray razana azy izy, dia tokony ho tezitra na hisafoaka Mosesy, satria afaka hiteny izy fa tsy misy tokony hidiran’izy mianadahy izany. Jereo ange fa tsy namaly izany akory Mosesy e. Ny fananana ny Fanahin’Andriamanitra dia mitarika ny olona iray hangina sy tsy hamaly avy hatrany manoloana ny fiampangana na ny esoeso izay atao, indrindra ny fanenjehana. Mosesy dia olona maharitra tokoa, ary tsy mba olona taitaitra sy malady vava, na mora tezitra. Tsy vitan’izany, hitantsika ihany koa izay mbola fanaratsiana sy fanenjehana azy amin’ny maha-mpanompon’Andriamanitra azy. Nolazaina fa tsy izy ihany no itenenan’Andriamanitra. Tonga ahatrany amin’ny ara-pivavahana ny resa-pianakaviana, ary voakitikitika ny maha-mpanompon’Andriamanitra azy. Jereo anefa, mbola nangina ihany izy. Ny fanginana, dia isan’ny toetra mampiavaka ny olona malemy fanahy eto ambonin’ny tany.

      Inona ary no vokatr’izany fahalemem-panahy izany? Jereo fa Jehovah no miady ho azy. Manana Mpisolovava azo antoka, na dia tsy mba mahay mandaha-teny aza, ny olon’Andriamanitra, dia Jehovah izany. Niaraka tamin’ny vava, dia boka tanteraka ny anabaviny. Tsy mila mamaly akory izay ataon’ny hafa amintsika isika. Andriamanitra no miady ho antsika, fa isika kosa mangina.

      Ny olona tsara fanahy kosa anefa, dia tsy sanatria faly amin’ny fahavoazan’ny sasany, eny na dia noho ny fahadisoany aza no nahavoa azy. Nandrora mitsilany i Miriama, satria mpanompon’Andriamanitra no notsiratsiraina, hany ka loza tokoa no vokatr’izany. Ny olona malemy fanahy tahaka an’i Mosesy anefa, manoloana ny fahavoazan’ny namany, eny na ny fahavalony aza, dia mivavaka ho azy, mifona ho azy. Izany indrindra no nataon’i Mosesy ho an’I Miriama. Tompo o, mifona aminao aho…

      Tsy mampirisika ny olona nanao fahadisoana fotsiny hifona sy hiantoraka amin’Andriamanitra ny olona tsara fanahy, fa izy mihitsy no mifona hoan’ny vahoakan’Isiraely.

      Ry Havana malala, mahantra olona tsara fanahy sy malemy fanahy ity firenena ity. Eny hatrany amin’ny Fiangonana aza. Mba firy moa ny kristiana na mpanompon’Andriamanitra tena vonona hifona hoan’ny hafa, noho ny amin’ny fahotàny sy ny fahadalàny, ka mivavaka ho azy ireny?

      Ataoko fa tonga ny fotoana hijerena olona tsara fanahy tahaka an’i Mosesy mpanompon’Andriamanitra hitondra marina ny helok’ity firenena ity eo anatrehan’Andriamanitra. Koa mandraisa andraikitra isika, ary tsy miandry an’iza na iza isika satria ringana ny oloko hoy Jehovah noho ny tsy fisian’ny fahalalàna.

Pasteur RANDRIANARISOA Jean Aimé

Aucune note. Soyez le premier à attribuer une note !

Bonjour, bien venu sur le site FPVM Fiombonana Tsarahonenana.

Faly miarahaba anao tonga soa eto amin'ny site FPVM Fiombonana Tsarahonenana. Mirary anao hahazo aim-panahy.