Ho an’ny mpanala FANADINANA

Ho an’ny mpanala FANADINANA

      Ankatoky ny fotoana hanaovana fandinana ny mpianatra izao. Betsaka ny ezaka efa natao nandritry ny taom-pianarana, na teo amin’ny ara-tsaina izany, teo ara-batana, ny ara-pitaovana ihany koa, ary tsy adino amin’izany ny ara-panahy. Mikasika izany indrindra, dia hiezaka isika hitrandraka ny sitrapon’Andriamanitra manodidina ny fianarana ny fahaizana amam-pahalalana sy izay rehetra manodidina izany.

      Ndeha ary ho fakafakaina ireto drafitra ireto:

  • Andriamanitra no lohalaharan’ny fahendrena sy ny fahalalàna
  • Andriamanitra manome fahendrena sy fahalalàna
  • Ampiasaina ho an’Andriamanitra ny fahaizana sy ny fahalalàna
  • Ho jerena manokana, indrindra eo ankatoky ny fanadinana izao, izay tokony hataontsika mpianatra

 

1) ANDRIAMANITRA NO LOHARON’NY FAHENDRENA SY NY FAHALALANA

      Andriamanitra dia Andriamanitra TSITOHA, izany hoe Andriamanitra mahery sy tsy takatry ny saina amin’ny maha izy azy. Tsy azo ferana na faritana ny fahendreny sy ny fahalalàny araka ny voalazan’ny Romana 11:33-34 Endrey ny halalin’ny haren’Andriamanitra sy ny fahalalàny. Ny fitsarany tsy hita lany, ary ny lalàny tsy azo fantarina. Fa iza no nahalala ny sain’I Jehovah ary iza no mpanolo-tsaina azy? Amin’ny maha Andriamanitra Mpahary Azy dia Tompon’ny fahaizana sy fahalalàna Izy. Porofon’izany, ny namoroanna izao tontolo izao sy izay rehetra eo aminy izay ahitana ny fahendrena sy ny fahaizan’ny Mpahary. Manohy izany ny andininy 36: “Fa Izy no nihavian’izao zavatra rehetra izao ary Izy no nihazona azy ary Izy koa no antony, Izy anie no hamen-boninahitra mandrakizay". Raha mandinika tokoa isika ny namoronan’Andriamanitra izao tontolo izao, dia ahitàna ny maha-tonga lafara ny lalanan’ny zava-boahary. Ohatra amin’izany, ny nametrahan’Andriamanitra ny Volana sy ny kintana, ny lalan’ny firindrana sy ny fipetrahan’izy ireo, ny asany sy ny fiaraha-miasany. Manan-pahaizana momba ny habakabaka izy (commologue), raha jerena ihany koa ny tany sy izay rehetra eo aminy, ny zava-manan’aina (ny biby sy ny olona), ny singa mandrafitra azy ireo (atome sy cellule) dia ahafantarana ny fahaizana fara-tampony ananan’ny Mpahary. Tsara dinihina ny Salamo faha 8, anehoana ny hankaton’ny volana sy ny kintana, ny Salamo 139 mitantara ny firafitry ny tenan’ny Olombelona (biologie). Manampy izany ihany koa ny fomba fijeren’i Jesosy ny zava-boahary sy ny fanatrehany izany ho zava-dehibe. Ohatra ny goaika izay lazaina fa “ny Rainareo izay any an-danitra manelona azy." Raha hazavaina dia efa misy lamina nataon’Andriamanitra mialoha, ny Kajy efa mipetrapetraka mba hahazoan’ny goaika mivelona.

      Toy izany koa ny voninkazo, ambaran’i Jesosy fa na dia Solomona sy ny Voninahiny aza dia tsy mba mitafy ny anakiray amin’ireny. Marina tokoa izany satria noho dinihina akaiky ny ravin-kazo fotsiny ohatra, izay fototry ny fitomboan’ny hazo amin’ny ankapobeny, izay karazana “usine" manodina ny tsiron’ny tany avy any amin’ny fakan-kazo, miaraka amin’ny famaintso na ny Chlorophylle eo amin’ny ravina sy ny Hazavana ary ny Oxygne (photosynthèse). Ao amiin’ny ravin-kazo no fototry ny fitomboan’ny hazo, ary Jesosy dia nametraka an’izany ho ohatra lehibe ny amin’ny asan’Andriamanitra.

      Raha jerena, arak’izany, Jesosy Kristy amin’ny alalan’ny fanoharana sy ny asa izay nataony dia endriky ny fahendren’Andriamanitra sy herin’Andriamanitra. Nahavariana ny olona fahizay mpiray tanindrazana taminy, fa tsy mba nianatra izy na nandia ny varavaran’ny Sekoly, nefa sady nahay namaky teny, nahay nanoratra ary efa nampianatra sahady na dia vao 12 taona aza (Lioka 2). Inona ary no anton’izany? Mitarika antsika izany hiditra amin’ny foto-kevitra faharoa.

2) ANDRIAMANITRA MIZARA NY FAHENDRENA SY NY FAHALALANA

      Ny finoana an’Andriamanitra, izany hoe: ny fiarahana aminy dia hahaizana ny zavatra rehetra. Ny zavatra rehetra hain’Andriamanitra, ary ny zavatra rehetra ihany koa hain’ny mino? HOY Jesosy. Andriamanitra dia manome malalaka ny zavatra rehetra, ary maimaimpoana hoan’ny mino Azy ary tsy mba mandatsa. Ny firaisana amin’Andriamanitra dia ahazoana ny zavatra rehetra. Izany indrindra no nahatonga an’I Jesosy hiteny hoe: “Ny zavatra rehetra dia efa nomen’ny Ray ahy” ary omeny ihany koa hoan’izay tia azy izany. Izany no nahatonga ny Tompo hiteny hoe: “Mangataha dia omena ianareo”.

      Noho izany, ilaina ny mpianatry ny Tompo tamana amin’ny fitiavam-bavaka sy ny finoana an’Andriamanitra. Mila ihany koa antsika mazoto mankany am-piangonana satria any no anovozantsika fahalalana ny Soratra Masina sy ny fampianarana ny sitrapon’ny Tompo. Tahaka an’i Jesosy e, nanao ny tranon’ny Rainy ho zava-dehibe teo aminy ary nitenenany tamin’ny ray aman-dreniny hoe: “Nahoana no mitady ahy hianareo, tsy fantatrareo va fa ato an-tranon’ny Raiko Aho?”.

      Faharoa manaraka izéany, ilain’ny Tompo ihany koa isika, manaraka ny sitrapony, amin’ny zavatra rehetra. Tsy ampy ny hoe mivavaka na manaraka ny fampianarana fa ny manao ny sitrapon’ny Raintsika no tena fanalahidin’ny fahombiazana amin’ny lafiny rehetra.Ohatra mahafinaritra amin’izany ny tantaran’i Daniela sy ny namany ao amin’ny boky mitondra ny anarany, izay milaza fa izy ireo dia tsy nety nihinana ny hanim-pin’ny mpanjaka, fa naleony nifidy ny hanin-kotrana mba tsy haha-voaloto azy ireo. Ary dia voalaza fa “izy efa-dahy dia nomen’Andriamanitra fahalalàna sy saina ny amin’ny taratasy sy fahendrena rehetra ary nahafantatra ny amin’ny nofy sy ny fahitàna rehetra” (Daniela 1:17). Ny tsy fanaovana zavatra tsy mifanaraka amin’ny sitrapon’Andriamanitra dia antoka hahazoana ny fahaizana sy ny fahalalana, tsy eo amin’ny ara-tsaina ihany, fa ny ara-panahy ihany koa.

      Koa tiantsika ary ve ny hahazo izany fanomezana avy amin’Andriamanitra izany? Tanteraho ny sitrapon’Anriamanitra, fadio ny fahotàna, ialao sy halaviro ny fifohana zava-maha-domelina, ny fisotroan-toaka n any fifohana rongony, ny filatsahana amin’ny toetra tsy mendrika sy maha-voafady isan-karazany. Efitra mampisaraka antsika amin’Andriamanitra ireny, ka tandremo.

      Te ho afaka fanadinana ary ve ianao? Apetraho amin’Andriamanitra tanteraka ny fiainanao manontolo ary araho ireto dingana maromaro ireto:

      a) Atolory an’Andriamanitra ny tenanao amin’ny alalan’ny fanapahan-kevitra hentitra hoe: “Jesosy ô atolotro anao ny tenako amin’ity andro anio ity, tsy manana na iza na iza afa-tsy Ianao aho Jesosy, ary Ianao no Tompoko sady Mpamonjy ahy”.

      b) Mibebaha amin’ny fahotanao rehetra izay tsapanao fa nangeja hatramin’izay: sigara, paraky, toaka, fijangajangàna, bal sy famonjena karaoke, fijerena sary na horonan-tsary mamoafady, halatra, ady, hakamoana mianatra, fingitrihina, lainga (teo amin’ny ray aman-dreny na ny mpampianatra, ny fitenenan-dratsy, loka, fihinanana ny saram-pianarana, ny faniratsiràna ray aman-deny, ny hakamoana mivavaka. Mila diovin’I Jesosy na ny sainao, ny tenanao ary ny Fanahinao. Mangataha ny Ràny hanadio anao tanteraka, ka hampidinan’I Jesosy fo vaovao sy Fanahy vaovao (Ezekiela 36:25-27 "Dia hofafazako rano madio hianareo, ka hadio; ny mba ho afaka amin’ny fahalotoanareo rehetra sy ny sampinareo rehetra no hanadiovako anareo. Ary homeko fo vaovao hianareo, ary fanahy vaovao no hataoko ao anatinareo, ary hesoriko amin’ny nofonareo ny fo vato, ka homeko fo nofo hianareo. Ary ny Fanahiko no hataoko ao anatinareo, ka hahatonga anareo handeha araka ny lalàko sy hitandrina ny fitsipiko ka hanaraka azy.").

      d) Rehefa tena mibebaka marina ianao dia mamela ny helokao Andriamanitra. Ny hahafantarana izany dia hahatsapa fahasambarana tsy misy toy izany ianao: “Sambatra ny olona izay voavela ny helony sy izay voasarona ny fahotany” (Salamo 32:1). Hitoetra sy hidina ao amin’ny olona voavela heloka ny Fanahy Masina, ary hitarika azy hanana fiainam-baovao, tsy izy intsony no velona fa Kristy no velona ao anatiny. Ny fananany ny Fanahy Masina ao anatiny dia mitarika azy hanolo-tena hoan’Andriamanitra amin’ny alalan’ny batisa, ny fanoloran-tena ho katekomena, ny fidirana any amin’ny Sampana sy ny asa fanompoana kristiana maro samihafa. Ny olona mibebaka sy voavela heloka dia tsy maintsy miroso bebe kokoa hanompo an’Andriamanitra.

      e) Aza manao hoe aoka aloha ho vita ny fanadinana vao hanolo-tena aho, na izay vao hanao ny asany. Tsia, fitak’i Satana izany. Katsaho aloha ny fanjakan’Andriamanitra sy ny fahamarinany, dia hanampy ny zavatra rehetra. Maneke an’i Jehovah amin’ny alehanao rehetra fa Izy handamina ny làlanao.

      f) Mijoroa ho vavolombelon’ny Tompo amin’ny fiainanao rehetra, ary aza manaraka ny fanaon’izao tontolo izao. Ataovy miavaka ny fiainanao manoloana ny ankizy sy ny tanora namanao rehetra. Aza lanilaniana intsony amin’ny fandehandehanana na ny resa-dresa-poana ny fotoananao. Araraoty ny andro azo anaovan-tsoa, fa ratsy izao fiainana izao. Ny mpianatra tsy mikajy na mitandrina ny fotoana omena azy dia tsarovy fa eo am-bavahoanan’ny loza mandrakariva. Aza asiana fotoana verivery foana manomboka izao fa atolory an’Andriamanitra na dia izany fotoana izany aza.

      g) Hoan’izay rehetra manana olana saro-bahana, indrindra ankatok’izao fanadinana izao, dia aza misalasala manatona mpanompon’Andriamanitra: mpiandry, mpampianatra, Misionera, Pasteur…Aza kobonina samirery ao ny zavatra manahirana:. Ohatra amin’izany, misy ny marary an-doha lava, ny manonofy ratsy toy ny enjehin’ny omby, alika, mpamosavy…Misy koa ny tsy mahay mihitsy, ny tsy mahatadidy, ny henatra sy ny tahotra; ny olana ara-pitiavana indrindra indrindra.

      h) Amin’ny maha-Fiangonana mifoha antsika, ny mpianatra rehetra dia tokony hizatra mamonjy ny fanompoam-pivavahana rehetra, indrindra ny asam-pifohazana. Manatona hametahan-tanana, tsy hoe ankatoky ny fanadinana ihany, fa amin’ny andro ahavelomana rehetra mihitsy.

        i) Mahaiza ihany koa mandamina ny fotoana, ny fitaovana rehetra, ny saina sy ny vatana. Tiava fahadiovana sy filaminana. Tandremo fa ny fitiavana volo misaritaka ohatra, akanjo tsy mifanaraka amin’ny tokony ho izy: fohy, manify, mampiseho vatana, rovitra; ny fanaovana maquillage be izay manova tanteraka ny endrik’Andriamanitra, dia hiteraka tsy filaminana sy mahatonga an’ilay ratsy mpanakorontana, dia ny devoly ho tafiditra amin’ny fiainantsika. Amin’ny vatana sy ny saina ary ny fanahy milamina, amin’ny toerana madio sy mirindra no mahatamàna ny Fanahy Masina sy antoky ny fahombiazan’ny olona, ary izany no endriky ny fiainan-danitra sahady santarin’ny zanak’Andriamanitra.

      Farany, mivavaha alohan’ny zavatra rehetra izay atao. Na inona inona ataonareo, na amin’ny teny na amin’ny asa, dia ataovy amin’ny anaran’i Jesosy Kristy Tompo, ary misaora an’Andriamanitra Ray amin’ny alàlany (Kolosiana 3:17 "Ary na inona na inona ataonareo, na amin’ny teny, na amin’ny asa, dia ataovy amin’ny anaran’i Jesosy Tompo izany rehetra izany, ka misaora an’Andriamanitra Ray amin’ny alàlany."). Aza adinoina ihany koa ny mamaky Baiboly isan’andro, fa ny Tenin’Andriamanitra no sabatra entitsika handresena ilay fahavalontsika izay mierona tahaka ny liona mitady izay harapany.

Pasteur RANDRIANARISOA Jean Aimé

Aucune note. Soyez le premier à attribuer une note !

Ajouter un commentaire

Vous utilisez un logiciel de type AdBlock, qui bloque le service de captchas publicitaires utilisé sur ce site. Pour pouvoir envoyer votre message, désactivez Adblock.

Bonjour, bien venu sur le site FPVM Fiombonana Tsarahonenana.

Faly miarahaba anao tonga soa eto amin'ny site FPVM Fiombonana Tsarahonenana. Mirary anao hahazo aim-panahy.