Iza marina moa satana?

FAMPIANARANA SORATRA MASINA

  IZA MARINA MOA SATANA ?

I- FAMPIDIRANA

          Amin’izao andro farany izao, izay ahitana ny faharatsiana isan-karazany, ary ifangaroan’ny asan’ny devoly sy ny vokatry ny saina ihany koa, dia ilaina ny mahafantatra izay tokony hatao, indrindra ho an’ny Kristianina. Ankoatry ny tokony hahafantarantsika an’Andriamanitra, ny maha-izy azy, ny fahefany, ny asany, ny toetrany ary ny fikasany, etsy an-daniny ary eo an-kilany koa ny maha-olombelona antsika, ny toetra ny kilema sy ny fahatsarana ary ny fikasan’Andriamanitra ny amintsika ihany koa, dia ilaina indrindra ny mahafantatra ilay rangory fototry ny faharatsiana, dia satana sy ny anjeliny. Raha tiana ny handresy ny fahavalo, dia tsy maintsy fantatra ny momba azy.

II- IZA MOA SATANA ?

           1° Ny baiboly irery ihany no mampahafantatra mazava hoe « iza moa satana » sy ny momba azy rehetra.

      Amin’ny teny Hebreo  ny teny hoe SATANA dia FAHAVALO na MPIFANANDRINA (ennemi, Adversaire)

      Amin’ny teny Grika ny hoe DIABOLOS na Diable na DEVOLY dia MPIAMPANGA, MPANALA BARAKA, MPIKOROKA

      Ireto avy ny anarana ilazana azy ao amin’ny Baiboly :

-          Fitarik’andro (amin’ny teny latina : lucifer)   Isaia 14 :12  (zanaky ny maraina).

-          Kerobima voahosotra (Ezek 28 :14)

-          Mpaka fanahy (Mat 4 :3)

-          Fahavalo (Mat 13 :39)

-          Ilay ratsy(Mat 13:35)

-          Lohan’ny demonia (Lioka 11 :15)

-          Mpandainga sady rain’ny lainga (Jao 8 :44)

-          Mpamono olona (Jao 8 : 44)

-          Andrianan’izao tontolo izao (Jao 12 : 31)

-          Andriamanitr’izao tontolo izao (2 Kor 4 :4)

-          Mpanapaka ny fanjakàna eny amin’ny rivotra (Ef 2 :2)

-          Menaràna ela, Dragona, Devoly, satana (Apok 12 : 9, 10)

          ny teny milaza ny fikomiana nataony sy ny fahalavoany dia hitantsika ao amin’ny Isaia 14 : 12-14 sy ny Ezek 28 : 12-17

    2) NY MOMBA AZY

          Satana dia tena misy satria milaza azy ny Baiboly ary manambara azy koa Jesosy Kristy. Tsy angano na arirarira ny momba azy, fa voaresaka izy hatramin’ny fiandohana ka hatramin’ny fiafaran’ny Baiboly. Jesosy dia mamotsipotsitra ny momba azy, toy izany koa ny Apostoly. Ny bokin’ny Genesisy dia milaza ny namitahan’i Menarana an’i Adama sy Eva, ny Bokin’ny Apokalipsy kosa dia maneho an’i Satana, ny Dragona, ilay Menarana ela

          Avy aiza marina moa Satàna ? ny Ezek 28 : 12-19 no mamaly izany fanontaniana izany. Ny voatantara ao dia ny momban’ny mpanjakan’i Tyro (Liban amin’izao fotoana izao).

          Entina anehoana ny mpanjaka iray izay tsy olombelona na mpanjaka mitovy amin’ny mpanjaka rehetra. Ny and 12 sy 13 dia milaza fa tao amin’ny saha Edena, izy teo anatrehan’Andriamanitra sady tao amin’ny hatsaran-tarehiny.

         Ny vatosoa dia mampahatsiaro ny ravaka natao tamin’ny akanjon’ny mpisorona Arona (Eks 28 :17). Ny eks 28 :13 dia mampiseho fa teo akaikin’Andriamanitra Satàna, tahaka ny mpanelanelana an’Andriamanitra sy ny zava-boahary ny toerana misy azy.

         Ny and 14 dia ampahafantarina fa izy dia toy ny Kerobina mamirapiratra izany hoe « Mpiaro ny voninahitr’Andriamanitra eo anilan’Andriamanitra » (Toy ny garde de corps).

         Tamin’ny voalohany dia, satana dia nanana fahefàna teo amin’izao tontolo izao izay avy amin’Andriamanitra. Tamin’ny fotoana nakany fanahy an’i Jesosy, izay noheveriny fa handresena ny zanak’Andriamanitra, dia nasainy niankohoka teo anatrehany Izy, mba hanomezana azy ny fanjakana rehetra sy ny voninahiny raha miankohoka eo anatrehany Izy.(Matio 4 : 8-9)

 

III- NY FAHAVOAZAN’I SATANA (NY FAHALAVOANY)  

         . Ny  Ezekiela 28 : 15         dia milaza fa tsy misy tsiny satana ,mandra-pahita heloka taminy.Teraka tao aminy ny ratsy ,satria nahoana? Ny and.16 dia miresaka ny amin’ny kolikoly, filan-karena .Ny harena sy ny fahatsaran’Andriamanitra rehetra dia mandalo eo anatrehany, izay vao mankany amin’ny zava-boahary. Ny fiderana ataon’ny olona ihany koa dia mandalo eo aminy. Eo anelanelan’Andriamanitra sy ny zava-boahary arak’izany ny toerana misy azy. Fa nikomy kosa anefa izy, ka nararaotiny ny fiderana izay nataon’ny voahary na izao tontolo izao ka nalainy ho azy izany fa tsy nomeny an’Andriamanitra .Tonga mba hankalazain’ny anjely sy ny olona izy. Nahazo anjely maro tamin’ny fikomiana izy. Nanomboka tamin’izay ny ady teo amin’I satana (niaraka tamin’ny tafika izay tsy hafa fa ny anjely mpiodina rehetra, sy Andriamanitra .Jesosy dia nilaza fa satana dia mpamono olona hatramin’ny voalohany.

         . Ny Isaia 14 :12-14 ihany koa dia mampiseho zava-miafina;Satana dia fitarik’andro. Ny anarana hoe “Losifera” amin’ny teny latina dia “mpitondra ny mazava” no dikany, dia tsy hita ara-bakiteny ao amin’ny Baiboly akory. Ny kristiana tamin’ny taonjato voalohany no nametraka izany anarana hoe Losifera izany araka ny Isaia 14 :12 , amin’ny maha-fitarikandro azy .Nohon’ny fikomiana sy ny avonavona, dia naongana tamin’ny toerany sy ny asany izy, niala taminy koa ny fahatsarany rehatra.Toy izany koa izay nanaraka azy rehetra.

         Jesosy dia nilaza fa nahita an’I satana latsaka avy any an-danitra tahaka ny varatra (tselatra) (lioka 10 :18). Amin’izao fotoan’izao ,dia mbola mihevitra ihany satana fa tompon’izao rehetra izao. Ny masoandro no endrika hiseoany .Ny vavaka amin’ny masoandro dia tsy hafa fa mivavaka amin’ny :Losifera. Hitantsika fa mirongatra @zao fotoana izao ny fanompoan-tsampy ,ny fijerena vintana amin’ny alalan’ny volana sy ny kintana ary ny masoandro (astrologie), ny fanompoana hery miafina (occultisme).Nanomboka tamin’ny fahalavoany , izay zava-miafina, indrindra hoan’ny tsy mino sy tsy mamaky baiboly, dia ny zavatra tadiaviny sy katsahiny dia ny hiankohofan’ny olona eo anatrehany, hitarika azy ireo hanaraka azy sy hikomy miaraka aminy. Misandoka sy miova endrika izy, maka ny endriny taloha izy (II Koritiana 11 :14).

         Mandritr’izany fotoana izany ihany koa, dia misy ady makotroka eny amin’ny habakabaka. Ny fampanantenana nataon’ny Satana an’I Adama sy Eva dia ho lasa Andriamanitra izy ireo.Tafiditra tao anatin’ny velapandrik’I Satana izy. Ny fahotana ;dia tsy hafa fa ny finiavan’ny olona hiaina tsy miaraka amin'Andriamanitra .Nanomboka tamin’ny fahalavoan’i Satana,dia misy ny ady ara-panahy tsy maintsy natrehin’ny zanak’olombelona .Tsy maintsy misafidy isika na ny fanjakan’Andriamanitra na ny fanjakan’ny maizina (Losifera dia masoandro tsy mamiratra intsony, maizina, mifanohitra amin'Ilay hatrizay na "Eternel”.Ny finoana an’I Jesosy no ahafahana mifindra miala amin’ny fanjakan’ny maizina ho amin’ny mazava.

IV- NY TOERANA MISY AN’I SATANA

         Ny Baiboly dia milaza fa misy lanitra telo:

1-      Ny habakabaky ny tany

2-      Ny toerana misy an’Andriamanitra: io ilay ambaran’ny Apostoly Paoly hoe:”lanitra fahatelo no paradisa” II Koritiana 12:2-4.

3-      Eo anelanelan’ireo, ny lanitry ny devoly, ny fanjakan’ny maizina. Satana mantsy dia tsy afaka niaraka tamin’Andriamanitra intsony, satria voaroaka noho ny tsy fankatoavana tao aminy. Na izany aza, afaka mbola mifandray na miresaka amin’Andriamanitra izy (Joba 1,2), saingy tsy afaka hanatrika na hifankahita amin’Andriamanitra mandrakizay izy. Ny antony, ny maloto dia tsy afaka hiara-miaina amin’Andriamanitra na oviana na oviana .Indray andro any dia tsy maintsy hongotana hiala eo amin’ny seza fiandrianany izy, hazera sy hofongorana .(Apokalypsy 12:1-12) .Manomboka amin’ io texte io ny fiafaran’ny fanjakan’i satana  sy ny fiainany. Tsy maintsy mivavaka mafy ary mivavaka mandrakariva isika. Jesosy dia milaza ireo olona izay tsy mino azy sy tsy mety manaraka azy hoe :”Ianareo dia avy amin’ny devoly rainareo”. Ray mpisandoka mitarika ny olona ho any amin”ny fahotana ny devoly .Tonga anjakan’ny devoly izao tontolo izao.

          Inona ary no tokony hatao? Afaka miova hevitra isika ary miova fo ihany koa ,manaiky an’I Jesosy ho Tompo sy Mpamonjy ary ateraka vaovao indray mba ahafahantsika miala ao amin’ny fanjakan’ny aizina ho amin’ny mazava. Aoka ho fantantsika fa tsy tompon’ny teny farany na oviana na oviana Satana. Tonga Jesosy handrava ny fanjakany sy  hanongana azy ary hamarana ny tantarany. Nofoanany ny fanapahana sy ny fanjakana rehetra tamin’ny alalan’ny hazo fijaliana sy ny fitsanganana amin’ny maty.

      Ny fanalahidin’ny fandresena dia I Kristy

-          Voahombo noho fahotantsika

-          Nitsangana tamin’ny maty ho fanamarinana antsika

-          Nipetraka eo an-kavanan’Andriamanitra mba hanomana toerana ho antsika ihany koa any an-danitra.

       Azo antoka ny fandresentsika amin’ny ady atrehina satria nandresy Jesosy any amin’ny finoana Azy, dia manoatra noho ny mpandresy isika ,amin’ny alalan’ilay tia antsika.

 

V- NY TOKONY HATAON’NY FIANGONANA

 

         Efa nomena ny Fiangonana mialoha ny fanalahidin’ny fandresena ny vavahadin’ny fiainana-tsy hita (porte de l’enfer). Ny Fiangonana dia tsy hafa fa endriky ny fanjakan’Andriamanitra  ety an-tany. Manana fahefàna isika hamatotra ny herin’I Satana sy haharesy azy. Na dia mbola tsy levona aza Satana ankehitriny,  dia azo antoka ny fahareseny noho ny amin’ny ran’I Kristy latsaka teo amin’ny hazo fijaliana. Isika mpino dia miombona amin’ny Fiangonana tsy hita maso izay Tenan’I Kristy ety an-tany, sy mivondrona ihany koa amin’ny Fyangonana hita maso izay manana ny fahalemeny; nefa iasan’I Kristy, dia azo antoka ny fandresentsika satria efa nampanantenain’Andriamanitra izany.

        Resy ny fahafatesana ary tsy nanan-kery ny ota, Namonjy antsika Andriamanitra ary nanendry antsika ho miaramila ao amin’ny fanjakany, izay ho tonga lafatra amin’ny fotoana izay ihaviany, izay fotoana ihany koa no ifaranan’ny fitoriana Filazantsara. Noho izany ny Kristiana dia tokony ho voatafy ny Herin’ny Fanahy Masina mba hahafahany manohitra an’I Satana. Mila manana ny fanomezam-panahy sy ny fanomezam-pahasoavana rehetra isika hahafahana mandresy.

        Noho izany indrindra no tokony hitafiantsika ny fiadiana rehetra ambaran’ny Tenin’Andriamanitra (Ef 6:10-24). Singanina manoloana izany ny Tenin’Andriamanitra izay Sabatry ny Fanahy. Tsy mahazo fandresena anefa isika raha tsy manaraka ny toro-marik’I Jesosy sy manao ny asany (Jao 14:12), ary mametraka ny vavaka ho amin’ny laharana voalohany.

         Mila feno ny Fanahy Masina ihany koa isika (Ef 5:18; Jao 5:38-39). Raha ny marina dia natao hivelona amin’ny fandresen’I Jesosy isan’andro isan’andro isika. Ao anatin’ny fotoan-tsarotra, Andriamanitra dia manofana antsika hatrany.

         Ny fandresena an’I Satana dia tsy zava-baovao akory na zavatra ianarana. Amin’ny alalan’ny finoantsika an’I Jesosy no hanoherantsika an’I Satana, izay voalaza fa tahaka ny liona mierona mitady izay harapany (I Pet 5:8-9). Finoana mandresy,  ny finoan’ny Kristiana!

VI- FOMBA FIADY AMIN’NY DEVOLY

         Mba hahazoantsika mandresy ny devoly, dia tsara ny mandray nyTenin’Andriamanitra. Ireto ary ny fomba fiady mba hahombiazana:

1)      Ny fankatoavana an’Andriamanitra no zavatra voalohany indrindra tokony hananana. Hoy ny voalazan’ny Deot 11:8 “Koa tandremo ny lalàna rehetra izay andidiako anao anio mba hahery hianareo, dia hiditra handova ny tany efa halehanareo holovana”

-          Fankatoavana: mitandrina ny didy

-          Hahazo hery

-          Hahazo ny vokatra: hiditra ny tany Kanana

IMAGE 21. JÉSUS CHASSE LES DÉMONS

   2) Jesosy Kristy raha nandroaka an’I Satana dia tsy nampiasa ny fa fahefan’Andriamanitra Rainy, fa ny fitaovana izay nolazaina fa hampiasaintsika ihany no nataony.

-          Ny Tenin’Andriamanitra no fiadiana nampiasainy (Lioka 4:1-13)

-          Ny Fanahin’Andriamanitra ihany koa no nandroahany ny Demonia (Mat 12:28)

         Tsarovy fa ny Fanahy sy ny Teny no nikambana nahatanteraka ny fahariana ny zavatra rehetra tamin’ny voalohany. Noho izany, feno ihany koa ny fandresentsika raha ireo fiadiana ireo no entina mandresy ny devoly .

   3)  Rehefa handeha hiakatra ho any an-danitra ny Tompo, dia nanafatra izy, fa hamoaka demonia amin’ny anarany ny mpianatra (Marka 16:15-18). Ny anaran’I Jesosy araka izany dia fitaovana mahery vaika handresena an’I Satana. Noho izany, tokony hatao ho zava-dehibe ny fanononanan ny anaran’I Jesosy fa anarana feno fahefana sy hery izany, ka tsy tokony hotononina fahatany  .

   4)  Misy koa anefa karazana devoly tsy mivoaka raha tsy amin’ny fivavahana irery ihany (Marka 9:29), izany hoe amin’ny alalan’ny fantren-tena lalina no ahafahana mandresy azy.

   5)   Ny Ran’ny Zanak’ondry ihany koa dia fiadiana mahery hahafahana mandresy ny asan’ilay ratsy rehetra: Apok 12:11

VII- IZAY TSY TOKONY HATAO

1)  Tsy azo atao ny miankohoka eo amin’I Satana na oviana na oviana (Lioka 4:7-8)

2)  Tsy mahazo miresaka aminy (Asa 16:16-18)

3)  Tsy mifampiraharaha aminy na amin’ny fomba ahoana na amin’ny fomba ahoana (Jaona 14:30)

4)  Tsy mahazo manao ny asany na miara-miasa aminy (Jao 8:41,44; Ef 4:27)

5)  Tsy mahazo mihorohoro na matahotra eo anatrehany (Jer 1:17)

6)  Tsy mahazo manaraka ny baikony na oviana na oviana (Mat 4:3-4)

7)  Tsy miraika amin’ny fandokafana na ny fanarabiana na ny fiampangana izay ataony (Zak 3:1-2)

8)  Tsy mianatra ny fombany na ny zavatra ataony na mandray marika avy aminy ( Apo 14:8-11)





IMAGE 17. SAMSON TUE UN LION

                                               

 



 

 

FPVM FIOMBONANA TSARAHONENANA ALAKAMISY 10 FEBROARY 2011





Iza marina moa satana?

2 votes. Moyenne 3.50 sur 5.

Ajouter un commentaire

Vous utilisez un logiciel de type AdBlock, qui bloque le service de captchas publicitaires utilisé sur ce site. Pour pouvoir envoyer votre message, désactivez Adblock.

Date de dernière mise à jour : 01/11/2011

Bonjour, bien venu sur le site FPVM Fiombonana Tsarahonenana.

Faly miarahaba anao tonga soa eto amin'ny site FPVM Fiombonana Tsarahonenana. Mirary anao hahazo aim-panahy.