Ny fiakaran’i Jesosy tany an-danitra

"Iny Jesosy izay nakarina niala taminareo ho any an-danitra iny dia mbola ho avy indray tahaka ny nahitanareo azy niakatra ho any an-danitra” (Asa 1: 11)

      Fotoana iray nahabe fanantenàna ny mpianatry ny Tompo ny nahita sy nandre fa tena nitsangana marina tamin’ny maty Izy. Fifaliana moa ny an’ny mpianatra raha nahita ny Tompo satria ny mason’izy ireo no nahita ny fijaliany sy ny fahafatesany ihany koa. Velona marina Jesosy, ary niteraka finoana lehibe ho azy ireo izany.

      Eto anefa, toe-javatra iray indray saro-bahàna ary toa nametraka indray fahadisoam-panantenàna teo amin’ny mpianatra ny nampiakarana tampoka an’i Jesosy tany an-danitra. Toa feno mistery ny fiainan’i Jesosy, ary tsy fantatra mazava ny anton’izany.

Ry Havana malala, hiezaka isika hanazava ny momba ny fiakarana na ny Ascension. Midika inona moa izany?

      Ny andro Fiakarana dia 40 andro aorian’ny Paska. Ny isa 40 dia manana heviny telo mazava tsara:

  • Ny fakam-panahy
  • Ny faran’ny fitsapàna
  • NY fahatanterahany

 

        Ny fiantombohan’ny asan’i Jesosy Kristy tety an-tany dia nanomboka tamin’ny 40 andro nakana fanahy azy tany an’efitra izany hoe, ny fotoana niatrehany ny fahotana; ny fahoriana ary Satàna. niafara moa izany rehetra izany tamin’ny fahafatesany teo amin’ny hazo fijaliana sy ny fitsanganany tamin’ny maty. Ny fiomanana tamin’ny asa na ny iraka nampanaovina ny Tompo tety ambonin’ny tany dia nanomboka tamin’ny 40 andro tany an’efitra, fa ny iraka na ny asa hatrehina any an-danitra kosa dia manomboka amin’ny 40 andro mialohan’ny fiakarana. Azon’i Jesosy ny fandresena ny fahafatesana ary nitsangana amim-boninahitra Izy tamin’ny andro Paska, fa ny andro fiakarana kosa Izy no nandray ny satroboninahitry ny maha-Mpankan’ny mpanjaka sy Tompon’ny tompo Azy, any an-danitra.

      Ny 40 andro tany an’efitra arak’izany dia fanombohana, fa ny 40 andro mialohan’ny fiakarana kosa dia famaranana ny asa.

      Andro lehibe arak’izany ny andro fiakarana eo amin’ny tantaran’ny fivavahana Kristiana, satria fidiran’i Jesosy ao amin’ny tontolon’ny fanjakan’ny Rainy mandrakizay, amin’ny maha-Mpanjaka Azy. Tsy Izy ihany anefa, raha araka ny ara-dalàna, fa ny mino rehetra dia hiara-hiditra aminy any amin’ny Fanjakan’ny Ray be Voninahitra. Jesosy dia efa nilaza fa voasoratra any an-danitra ny anaranareo, izany hoe manana anjara miaraka aminy any an-danitra ny mino. Tsy anarana ihany mantsy no voasoratra fa ny toerana ihany koa ho an’ny olom-boavonjy dia efa omanin’i Jesosy ho azy. Handeha hamboatra fitoerana ho anareo Aho, hoy Izy.

      Arak’izany, misokatra amin’ny andro fiakarana ny lanitra, hidiran’i Jesosy sy ny mino Azy, hametrahana amin’ny fomba manetriketrika ny foiben’ny fanjakàna any an-danitra. Hita miharihary ihany koa amin’ny fiakaran’ny Tompo any an-danitra fa Andriamanitra Izy, ary tsy isalasalàna ny fahefàna izay efa eo an-tanany.

      Mbola misy koa anefa asa lehibe ataon’I Jesosy Kristy any an-danitra, dia ny fanohizana ny fifonana hoantsika, na ny asa fisoronana izany. Mbola mifona ho antsika isan’andro eo ankavanan’ny Ray Jesosy Kristy mandrak’ankehintriny, amin’ny maha-Mpisoronabe mandrakizay Azy. Mbola mivavaka ho antsika sy mitalaho amin’Andriamanitra Ray Jesosy amin’ny maha-Zanaka Azy, amin’ny maha-Mpanalàlana antsika Azy amin’ny Ray, amin’ny maha-Mpisolovava antsika Azy ihany koa eo anatrehan’Andriamanitra. Midika izany ry havana malala, fa tsy mbola vita ny asan’i Jesosy Kristy, na dia any an-danitra aza fa mbola mitohy mandrakariva.

      Farany, iny Jesosy izay niakatra tany an-danitra iny, dia mbola ho avy indray tahaka ny nahitana Azy niakatra. Manomana ny fihaviany indray Jesosy any an-danitra. Fa inona moa no antony hiverenan’i Jesosy indray? Ho avy Izy hanorina ny fanjakany mandrakizay, hitsara ny velona sy ny maty, hampakatra an’ilay Jerosalema vaovao hanjakan’ny fahamarinana. Ho levoniny izao rehetra izao simba sy potika noho ny fahotàna, fa ho soloiny tontolo vaovao izay tsy hisy fahafatesana intsony, ranomaso na alahelo. Efa lasa ny zavatra taloha!

      Ry Havana malala, raha jerena amin’ny maha-olombelona, toa andro mampalahelo ny andro fiakarana, satria fotoana nisarahana amin’ny Tompo, ary tsy hahitàna Azy intsony, fa lasa any an-danitra. Tsia, tsy izany, fa ny andro fiakarana dia mifono ny fanantenàna kristiana, vokatry ny finoana an’i Kristy maty sy nitsangana tamin’ny maty, mipetraka eo ankavanan’Andriamanitra, ary mbola ho avy indray. Mampahery antsika izany finoana miredareda ao anatintsika izany hanantena ny lanitra sy ny fianana mandrakizay, izay tsy angano na arira, fa zavatra marina.

      Anjarantsika kristiana àry ny manomana ny hoavintsika mamirapiratra, dia ny fiainana mandrakizay izany. Ny zava-doza izay fitak’i Satàna, dia tsy avelany hieritreritra ny ho avy ny olona, eny na dia ny kristiana aza. Aoka isika hihinana sy hisotro fa rahamptso dia ho faty, hoy ny eritreritry ny olona tsy mandinika sasany. Banga indraindray eo amin’ny fandalinam-pinoana ny momba ny andro fIakarana, ary toa tsy ankalazaina loatra aza eo amin’ny Fiangonana protestanta. Tsarovy fa miafina ao ambadik’izany andro fiakarana izany ny fampanantenàna mesianika rehetra, izay efa nambaran’i Jesosy, ary tsy maintsy tanteraka izany. Isan’izany ny hanomezany ny Fanahy Masina na ny Mpananatra izay ho eo aminareo mandrakizay, hoy Jesosy. Io no zava-dehibe indrindra, satria ny andro fiakarana dia fanomanana ny hidinan’izany Fanomezana lehibe ataon’Andriamanitra ny zanak’olombelona izany, izay ho raisin’ny mino amin’ny andro pentekosta, ary amin’ny fotoana ihany koa izay anomezan’Andriamanitra izany ny tsirairay, arakaraky ny fahatanterahan’ny fepetra handraisana izany.

      Koa mampahery antsika rehetra ry Kristiana Havana, niakatra any an-danitra ny Tompo, fa isika ety toa mbola eto ihany, saingy “avelao koa hiakatra ny finoana” hoy Rija Rasolondraibe. Ny finoan’ny kristiana mankalaza ny andro fiakarana, dia tokony hiakatra avo dia avo, miaraka amin’i Jesosy.

      Manokatra ny varavaran’ny lanitra ny fiverenany any amin’ny Rainy, nefa koa manokatra ny fanantenàna kristiana, ary mampifandray antsika bebe kokoa amin’Andriamanitra sy ny tontolo any an-danitra. Ankohonan’Andriamanitra isika ary tsy vahiny na mpivahiny intsony fa tompon-tany ; any tena izy. Tsy misy mahasaraka antsika intsony amin’Andriamanitra Ray, mandrakizay mandrakizay. Ary raha ho avy indray ny Tompo, amin’ny fotoana izay tsy fantatra moa no hahatongavan’izany, dia olona vonona mandrakariva ny kristiana. Ho sahy hiteny tahaka ny tamin’ny andron’i Jaona Apostoly ao amin’ny bokin’ny Apokalipsy hoe: “Avia faingana Jesosy Tompo”.

Pasteur RANDRIANARISOA Jean Aimé

Aucune note. Soyez le premier à attribuer une note !

Date de dernière mise à jour : 06/04/2016

Bonjour, bien venu sur le site FPVM Fiombonana Tsarahonenana.

Faly miarahaba anao tonga soa eto amin'ny site FPVM Fiombonana Tsarahonenana. Mirary anao hahazo aim-panahy.