ANDRIAMANITRA NO VAVOLOMBELONA

      Nifandona hono ny fiaran’ireto Mpitandrina roa, ary dia nifamaly teo izy mirahalahy. Ianao no diso, hoy ilay zokiny fa nangalatra “à droite ianao”. Tsia, hoy ilay mpitandrina zandriny, nandeha mafy ianao ka tsy voazonao intsony ny familiana dia nifatratra aty amiko.

      Rehefa tonga tany amin’ny fitsaràna, mbola samy nifanjija izy roa lahy, dia nanontany ilay mpitandrina zokiny ny mpitsara:

  • ”Manana vavolombelona ve hianao?
  • Eny tompoko, Andriamanitra no vavolombelona.

 

Dia napetraka tamin’ilay zandriny koa ny fanontaniana

  • Ary ianao, manana vavolombelona ve?
  • Eny Tompoko, Andriamanitra koa ny ahy no vavolombelona!

 

Rehefa nisintona ny fitsaràna, nivoaka ny didy, tankina tsy nahateny izy roalahy:

  • Meloka ianareo roalahy satria nampidi-kizo an’Andriamanitra koa dia saziana telo volana an-tranomaizina!
  • Tandremo an! tsy miditra amin’ny adin’izao tontolo izao Andriamanitra

 

 

Aucune note. Soyez le premier à attribuer une note !

Ajouter un commentaire

 

Bonjour, bien venu sur le site FPVM Fiombonana Tsarahonenana.

Faly miarahaba anao tonga soa eto amin'ny site FPVM Fiombonana Tsarahonenana. Mirary anao hahazo aim-panahy.