Handia làlana volamena

Handia làlana volamena

Jesuswalkingdown1.gif

 

         Nanononfy aho tamin’ny alina, niditra tao amin’ny trano anankiray izay noheveriko fa tao ny namako no mipetraka. Kanjo, rehefa tafiditra aho, lasa trano ratsy be ilay izy, sady maloto, ny fandriana dia dongon-tany. Nisy vehivavy natory teo amin’io fandriana io, saingy olona tsy misy tongony na tanany, fa eo amin’ny tapany ambony amin’ny tratrany no miakatra ihany no misy. Dia nampandroso ahy izy ary dia niresaka taminy aho nampahery azy tamin’ny anaran’I Jesosy. Rehefa niresaka ela teo, akory ny hatairako fa niova tsikelikely izy, lasa olona ara-dalàna avy eo, nisy ankizy ary teo koa ny vadiny niaraka taminy.

           Dia niteny aho hoe: “Eto amin’ity trano ity Jesosy amin’izao fotoana izao, satria niditra teto aho, tokantrano mahantra sy maloto ary olona sampona no hitako, hay tsy izany fa ireto ianareo olona tahaka ny olona rehetra. Tsy tian’I Jesosy hanavakavaka na iza na iza aho izany”.

         Ry Havana malala, ry mpanompon’Andriamanitra, tandremo ny manavakavaka, indrindra ny manao tsinotsinona ny mahantra sy ny kamboty, fa mampalahelo an’I Jesosy. Rehefa any amin’ny toerana handehanantsika any amin’ny Tafika Masina any, aza mifidifidy trano hidirana na “mifindrafindra trano”; hoy Jesosy. Ny mpanao heviteny dia manazava izany tenin”I Jesosy izany fa “aza mitady –confort-“ any amin’ny toerana izay aleha. Mahereza!

 

                                                                                                                                                                                                  Pasteur Jean Aimé

Aucune note. Soyez le premier à attribuer une note !

Ajouter un commentaire

 

Bonjour, bien venu sur le site FPVM Fiombonana Tsarahonenana.

Faly miarahaba anao tonga soa eto amin'ny site FPVM Fiombonana Tsarahonenana. Mirary anao hahazo aim-panahy.