Jehova ô tiako ny tranonao

Indro atolotra anao ny TONONKIRA FANEVAN'NY fpvm fiombonana tsarahonenana (FFT). Dia mahereza!

 

 

 

HIRA FANEVA FPVM FIOMBONANA TSARAHONENANA

 

Jesus

Ry Fiombonana Tsarahonenana ô
Zao no antson’ny Tompo aminao
Amboary ny tranoko dia hotahiako ianao
Dia ny lapan’ny voninahitro
Koa mitsangana handeha hiasa re
Fa tsy foana ny hery atolotrao
Na ny vola sy harena izay afoinao
Dia honeran’ny Tompo maro be
Koa mitsangàna (beso)
Mitsangana  re ianao ry Fiombonana
Ndeha hanorina ny Tranon’Andriamanitra
Aza dia variana amin’izao fiainana izao
Andriamanitra no miantso anao

 

                    Jehovah   o, tiako ny tranonao
                    Ny fonenan’ny voninahitrao
                    Vonona aho hanao ny asanao
                    Ka ny baikonao no andrasanay

 

O ry Tompo Andriamanitra o
Mino sy matoky anao izahay
Fa raha Ianao no miaro sy mitarika anay
Dia tsy misy zay tsy ho tanteraka
Ny Finoana hoy ianao Jeso
Mahafindra tendrombohitra
Koa na tsy manana aza izahay
Dia mino fa ianao manampy anay
Koa mifahara (beso)
Mifahara ianao ry Fiombonana o
Tano ny finoana ho ampinganao
Fa ny zavatra rehetra hainy avokoa
Izy irery no Andriamanitro

 

                Jehovah o... (bis)

 

Fiombonana.jpg

2 votes. Moyenne 3.50 sur 5.

Commentaires (1)

malalalovatiana solomamy milan
  • 1. malalalovatiana solomamy milan | 02/08/2011

miarahaba antsika rehetra amin'ny anaran'jesosy.mafinaritra ahy mihitsy io hira faneva ny fiangonantsika io.ary rehefa mihira anio isika isaky ny alahady dia ohatran'ny efa mahita sahady ny fiangonantsika mitsngana aho.
mahereza daholo ary isika rehetra amin'ny fananganana ny tranon'i TOMPO

Ajouter un commentaire

Vous utilisez un logiciel de type AdBlock, qui bloque le service de captchas publicitaires utilisé sur ce site. Pour pouvoir envoyer votre message, désactivez Adblock.

Date de dernière mise à jour : 15/10/2012

Bonjour, bien venu sur le site FPVM Fiombonana Tsarahonenana.

Faly miarahaba anao tonga soa eto amin'ny site FPVM Fiombonana Tsarahonenana. Mirary anao hahazo aim-panahy.