Iza moa Jesosy?

Iza moa Jesosy

                                                                        TORITRENY SY FAMPIANARANA

        « Homeko anao ny fanalahidin’ny fanjakan’ny lanitra, ka na inona na inona fehezinao ety ambonin’ny tany dia ho fehezinao any an-danitra, ary na inona na inona no inona vahanao ety ambonin’ny tany dia hovahana any an-danitra. » (Matio 16:19)

        Iza moa no manambara izany teny izany? jesosy Kristy, Zanak’Andriamanitra, Ilay Mesia na Kristy Voahosotra hamonjy ny jiosy, ilay nampanantena ela ba hatramin’izay ary nambaran’ny mpaminany fa ho avy, hitondra famirapiratana indray hoan’i Israely, hahatonga azy ho firenen’Andriamanitra, ho fanjakam-pisorona, ho firenena masina. Tonga tany amin’ny Azy Izy, saingy ny Azy tsy nahalala Azy, hoy Jaona. Tsy fantatry ny jiosy hoe Izy no Mesia, ka nahatonga Azy ho nolavina sy natao tsinontsinona.
       Izany Jesosys Kristy Mesia no miraka amin’ny mpaminany izay nanaiky hiaraka aminy hanorina ny fanjakan’Andriamanitra amin’ny mpianany izay hiaraka aminy hanorina ny fanjakan’Andriamanitra eto amin’ny Matio 16 eto. Mametraka fanontaniana amin’ny mpianany Jesosy Kristy voalohany indrindra manao hoe: "Ataon’ny olona ho iza moa ny Zanak’olona?”. Ny valintenin’ny mpianatra araka izay fantany fa resahin’ny olona eo amin’ny fiainana an-davanandro  Jaona mpanao batisa, Elia, Jeremia, anankiray amin’ny mpaminany… Raha tsarina, tsy fantatry ny vahoaka, eny na jiosy izay mpiray tanindrazana Aminy sy nihaviany aza Jesosy. Nanjavozavo taminy ny momba Azy (Matio 16:13-14 “13 Ary rehefa tonga tany amin'ny faritanin' i Kaisaria-filipo Jesosy, dia nanontany ny mpianany Izy ka nanao hoe: Ataon'ny olona ho iza moany Zanak'olona? Dia hoy ireo: Hoy ny sasany: Jaona Mpanao-batisa; ary hoy ny sasany: Elia; ary hoy ny sasany: Jeremia, na anankiray amin'ny mpaminany.”).
       Ry Havana malala, mipetraka amintsika rehetra ihany koa ny fanontaniana androany: Ataontsika ho iza marina moa Jesosy eo amin’ny fiainantsika? Tena mba fantantsika marina ve Izy? Raha mipetraka toy izany angamba ny fanontanian dia samy hamaly isika tsirairay avy araka izay ahafantarantsika Azy. Ohatra: Izy Ilay nanasitrana ahy; Izy ilay nanao fahagagana teo amin’ny fiainako; izaho efa maty fa novelominy indray… Misy indray milaza fa izany Jesosy izany razam-bazaha; ao no manitrikitrika fa olona tahaka ny olona rahatra ihany; mitovy amin’ny mpaminany hoy ny fivavahan hafa… Ry Havana malala aoka ny fahalalantsika an’I Jesosy tsy hijanona fotsiny.amin’ny maha olombelona, na ivelany ihany, na amin’ny ara-nofo fotsiny. Mba hahafantaranao Azy tanteraka, ny fepetra voalohany dia ny fiarahana aminy, ny fanekena ho mpianany. Matoa mahafantatra olona iray aho, dia satria efa tena mpiaraka aminy sy mifampihinana ny manta sy ny ùasaka hoy ny fitenenana. Ny olona tsy mifanerasera amin’ny Tompo dia tsy hahalala Azy na oviana na oviana. Dinihinareo ny Soratra Masina, hoy Jesosy, satria io no nanambara Ahy, kanefa ianareo tsy mety manatona ahy hananareo fiainana, ao amin’ny Jaona 5: 39. mba hahazoantsika miaina miaraka Aminy, dia mila manatona Azy isiska mba hahafantarantsika bebe kokoa sy handriaisantsika ao anatinstika ny fahalalana azy.
      Rehefa tsy nahazo valin-teny mahafa-po tamin’ny fahalalan’ny vahoaka Jesosy dia ho Iza? “Dia namely tsotra Petera nanao hoe: “Ianao no Kristy Zanak’Andriamanitra”. Raha tsarina, Petera no tena nahalala sy nahafantatra an’i Jesosy marina ary nakaiky izany ny Tompo.
        Ny fahalalana an’I Jesosy ary dia tsy zavatra ivelany tahaka ny fahalalana n any fahaizanza rehetra. Tsy amin’ny saina be maha-olombelona antsika no ahfantarana marina ny zava-panahy ry Havana malala; fa fanomezana avy any an-danitra izany. Mila mifandray akaiky amin’ny zanak’Andriamanitra sy amin’Andriamanitra Ray lalina isika, hahafantarantsika ny zava-miafin’ny fahendren’olombelona takarina fotsiny amin’izao maha-isika antsika izao, fa mila ny fahendren’Andriamanitra.
       Jesosy no Kristy Zanak’Andriamanitra velona. Izy marina arak’izany no Kristy, na Mesisa araka ny nampanantenaina tao amin’ny Testamenta taloha. Tanteraka ao aminy ny voalazan’ny Soratra Masina rehetra. Izy Ilay Imanoela, mahagaga, Ilay Andriamanitra mahery, Rain’ny mandrakizay. Andrian’ny fiadanana. Sambatra I Petera satria nahafantatra an’I Jesosy amin’ny maha-Izy Azy.
         Manoro hevitra anao aho ry Havana malala, hifandray bebe kokoa amin’i Jesosy ary hanar-dia Azy amin’ny fonao rehetra, hanana hafanam-po tahaka an’I Petera amin’ny fanompoanao Azy. Aoka ianao ho voalohany tahaka an’I Kefasy amin’izay zavatra ataoanao ezhztra hoan’ny Tompo, fa ny olona mafana fo amin’ny fanarahana sy ny fanavaozana ny asan’Andriamanitra dia tonga tea iray aminy. Izany no nahatonga ny Apostoly Paoly hiteny ihany ko manao hoe: “Fantatro izay inoako”, fa “mpiara-miasa amin’Andriamanitra izahay”, na koa “izahay manana ny asan’I Kristy”.
       Tsy vitan’ny hoe sambatra izay tena miaraka amin’ny Tompo sy nahalala Azy amin’ny maha-Mesia sym aha zanak’Andriamanitra ny fanalahidin’ny fanjakan’ny lanitra izay mpianatra manana ny toetra sy ny fiainanam-panahy tahaka an’I Petera. Omena azy ny fanalahidin’ny fanjakan’Andriamanitra, ka na inona na inona vahany ety ambonin’ny tany dia hovahana any an-danitra, ary na inona na inona fehezina ety ambonin’ny tany dia hofehezina any an-danitra. Raha raisina ara-bakiteny izany ry Havana malala, ny mpianatry ny Tompo marina dia mihazona ny tsiambaratelon’ny fanjakan’Andriamanitra ety ambonin’ny tany… Tsy vitan’izany, fa omen’Andriamanitra fahefana amin’ny zavatra rehetra, eny hatramin’ny herin’ny natiora sy ny zava-boahary, ny fahefan’ny demonia sy ny fanahy ratsy eny amin’ny rivotra aza; hatramin’ny fahafatesana dia resin’ny zanak’Andriamanitra sy ny mpanara-dia an’I Kristy. Koa inona no mampanahy antsika ry Havana malala, amin’izao fianana izao sy ny fiainana ho avy? Nomen’ny Tompo antsika anie ny lakile e?
       Mahatsiaro mpanompon’Andriamanitra iray izay niharan’ny fanenjehana mivaivay aho, tany amin’ny toerana iray. Nolazaina izy fa mpaminany sandoka, satria nahoana hoy ianao? Izao no nilazain’ny olona tsy tia azy: “Tena mpanompon’Andriamanitra marina dia mahafantatra ny zavatra rehetra fa izy kosa tsy fantarin’olona!" (Kor 2).
      Omena antsika ary ny fanalahidin’ny fanjakan’Andriamanitra, ahoana tsara moa izany ry Havana malala? Tahaka ny hoe, omena anao ny lakilen’ny Coffre misy ny fitehirizam-bola, tsy tombon-tsoa lehibe ve izany? Ny lanitra izay voalaza fa toerana fitehirizan-tsoa, izay misy ny fitahiana manana amby ampy, moa tsy harena saro-bidy ho antsika moa izany. Misy aza moa mihazona ny lakilem-pasana, ireharehany ery izany, mainka fa isika izay mitahiry ny lakilen’ny lanitra?
Mandalo fahasahiranana ny firenena amin’izao fotoana izao, manomboka any amin’ny isan-tokantrano, ny isam-pianakaviana, ny firaha-monina, ny firenena iray manontolo, eny hatramin’ny Fiangonana aza, tsy mahita izay atao. Inona no azo ambara amin’ny kizo izay idirana sy ikatsoana amin’izao fotoana izao?
       Ry Kristianina Havana, nomen’Andriamanitra antsika ny fanalahidy, ka ampiasao izany manomboka izao. Izay vahana ety an-tany dia vahana any an-danitra. Andeha aloha  ho vahantsika ny aizin’ny tsy fahalalana an’I Jesosy ho Mpamonjy sy Zanak’Andriamanitra, ka na dia ny Fiangonana sasany aza, araka ny voalaza tery aloha dia tsy manaiky Azy ho Andriamanitra. Koa inona moa no ho famonjena ho raisintsika raha izany? Misy tsy manaiky ny fagahagagana na fanasitranana ataony, ny fanomezam-pahasoavana omeny ny Fiangonana sy ny mpanompon’Andriamanitra manana izany, lazaina fa mpaminany sandoka, mpanao Magie, sy ny sisa? Indrisy, fa izay mikely aina hampandroso ny fanjakan’Andriamanitra dia torahana vato amin’izao fotoana izao, ary ny samy kristianina ihany no mifampitora-bato. Nahoana ity firenena ity no latsaka any anaty lavaka amin’izao fotoana izao? Satria manao olona ho reharehany izy sady mifampitady laza. Zava-dratsy roa loha no nataon’ny oloko, hoy Jehovah, sady mahafoy Ahy loharanon’aina izy, no mihady lvaka famorian-drano ho azy miezaka ny mpitondra mikofokofoka, ny vahoaka ihany koa mitady lalana, nefa tsy tafavoaka satria nahafoy an’Andriamanitra ary mitady vaha-olana amin’ny herin’ny tenany. Nahoana isika no mitady fanalahidy hafa hivoahana amin’izao krizy izao, nahoana raha manatona an’Andriamanitra? Ny mpitondra fahizay nanao ny sitrapon’Andriamanitra, sy ny vahoaka natahotra an’Andriamanitra anie ka nifady hanina sy nitafy lamba fisaonana nivavaka tamin’ny fotoana naha-tery azy e! ohatra iray amin’izany i Josafata, izay hifanehatra amin’ny miaramilan’ny fahavalo “iray dia marenina”, dia ny Moabita, fa lasa nifady hanina n any vahoaka n any miramila, alohan’ny hiadiana. Rahefa vita izany, ny Antoka mpihira indray no nalefa eo alohan’ny miaramila nanao hiram-pivavahana rehefa andeha heady (II Tant 20). Raha amin’ny maha-olombelona, tsy handalana ve izany? Nefa jereo ny vokany, tsy fandresena miezinezina va no azony tamin’izany?
      Raha mieritreritra fotsiny isika ry Havana malala, ny azan-jiolahy sy ny fahalo eto amintsika, rah any tokony ho izy, firy moa ny jeneraly sy ny manam-boninahitra ary ny vata-miaramila? Nahoana no manjakazaka ny asa fampihorohorona eto amintsika? Izao no valiny: “Isika tsy mitolona amin’ny nofo aman-dra, fa amin’ny fanahy ratsy eny amin’ny rivotra”, noho izany “tsy avy amin’ny nofo ny fiadian’ny tafikay, fa avy amin’Andriamanitra handrava fiarovana mafy”. Tsy ny fahaizana sy ny Diploma no ahatafavoaka an’i Madagasikara fa ny fananana ny fanalahidin’ny fanjakan’Andriamanitra eo an-tanantsika ka amohana midanadana ny varavaran’ny fanjakan’Andriamanitra.
       Tsaroako ny fanontanian’ny mpanao Gazety ny mpanao politika iray fahiny izay tsy dia mba nandalo fianarana loatra, nefa nilatsaka ho fidiana ho filoham-pirenena tamin’izany fotoana izany. Hoy iry voalohany mantsy azy: “Ianao ve hilatsaka ho foloham-pirenena nefa ny tadin-kiraronao aza tsy hainao ny mamototra azy?”. Dia izao no valin-teniny: “Jereo ary ny itondran’ireo izay mahay mamatotra tadin-kiraro ny firenenna amin’izao fotoana izao. Mifanaraka amin’ny fahaizany mamatotra tadin-kiraro ve ny fitondrany ny firenena?". Tsy nahita avaly ilay mpanao Gazety tamin’izay fotoana izay.
       Raha izany ary, ry Havana malala, mipetraka amintsika fiangonana ny adidy lehibe eto amin’ity firenena malalantsika ity. Raha ny marina, tsy Petera ihany no nomen’ny Tompo ny fanalahidy, fa ny mpianatra rehetra ihany koa, araka ny Tenin’I Jesosy hoe: “Lazaiko aminareo marina tokoa, na inona na inona fehezinareo ety ambonin’ny tany dia ho fehezinareo any an-danitra, ary na inona na inona vahanareo ety ambonin’ny tany dia hovahan any an-danitra” (Mat 18: 18).
Koa inona no olona, tsy handeha isika hamaha izao olana izao amin’ny anaran’i Jesosy ry Fiangonana manotolo, hivavaka sy hifady hanina ary hamaha ny asan’ny devoly sy Satana ary handray andraikitra amin’ny famonjena sy firenena? Tsy amin’ny alalan’ny fandrombahana fahefana sanatria, n any fanelanelanana etsy sy eroa, tsy izany no anirahan’Andriamanitra an tsika, fa ny fampiasana ny lakile n any fanalahidy omen’Andriamanitra antsika, ka hamaha izay azontsika hovahana, dia ny gadra sy ny fatorana mahazo ny olona ka mahatonga azy ho tia tena, tia vola, voninahitra fahefana sy laza… Vokatr’izany, tsy mahalala afa tsy ny tombon-tsoan’ny tenany ary mahatonga azy hanapotika ny hafa, sy hamono mihitsy aza, hangalatra sy handroba.

Pasteur RANDRIANARISOA Jean Aimé

8 votes. Moyenne 2.75 sur 5.

Ajouter un commentaire

 

Date de dernière mise à jour : 29/04/2013

Bonjour, bien venu sur le site FPVM Fiombonana Tsarahonenana.

Faly miarahaba anao tonga soa eto amin'ny site FPVM Fiombonana Tsarahonenana. Mirary anao hahazo aim-panahy.