Vaomieran'ny mahantra

                  

mitsinjo anao ny masoko

                   Ry havana mbola hampitomboina hoamintsika mandrakariva anie, ny fahasoavana amam-piadana avy amin'ilay Andriamanitra Raintsika sy Jesosy Kristy Tompo.

 

                   Ny vaomieran'ny mahantra moa dia misahana ireo mahantra na ireo sahirana ara-pivelomana, miezaka ny mamatsy azy ireo ny amin'ny lafiny ara-pivelomana, goavana tokoa raha ny andraikitra sahanina, nefa asan'Andramanitra izany. Satria hoy Jesosy hoe: "Izay ataonareo amin'ireny madinika ireny dia amiko koa no anaovanareo azy." Koa raha manao izany amin'ny fo feno fitiavana koa isika dia ny Tompo anie hamaly soa antsika mianakavy; amin'ny fanompoana ny Tompo. Tsy atao tsinontsinona izy ireny satria isika rehetra izao dia iray ihany ao amin'ny Tompo. Araka ny ohabolana malagasy hoe: "Iray vatsy, iray aina" koa  raha mbola nomen'ny Tompo ihany ianao manana mihoatra indrindra fa amin'izao andro fety izao dia tokony hizara, satria izay nomena maimaim-poana hoy  ny Tompo manomeza maimaim-poana. Ny fontsika mitempo iray no maha fiombonana antsika ry havana, Miobona isika na aiza na aiza toerana misy antsika tsirairay avy, na inona na inona toerana misy antsika dia iray ihany ao amin'ny Tompo.

 

                     Ny voninahitra anie dia ho an'Andriamanitra irery ihany, fahasoavan'ny Tompo sy ny fiadanany anie hoamintsika tsirairay avy. Dia manao veloma anareo amin'ny anaran'ny Tompo.

 

Mpanoratra: RANDRIANANDRASANA Roger

Aucune note. Soyez le premier à attribuer une note !

Commentaires

  • link building services
    Ny vaomieran'ny mahantra moa dia misahana ireo mahantra na ireo sahirana ara-pivelomana,
  • Website Design
    Andriamanitra Raintsika sy Jesosy Kristy Tompo.

Ajouter un commentaire

Vous utilisez un logiciel de type AdBlock, qui bloque le service de captchas publicitaires utilisé sur ce site. Pour pouvoir envoyer votre message, désactivez Adblock.

Bonjour, bien venu sur le site FPVM Fiombonana Tsarahonenana.

Faly miarahaba anao tonga soa eto amin'ny site FPVM Fiombonana Tsarahonenana. Mirary anao hahazo aim-panahy.