Akaikinao kokoa, Andriamanitro ô ! (1)

"Ny Tompo (Jesosy Kristy) nitsangana teo anilako ka nampahery ahy." 2 Timoty 4:17

"Aza matahotra ianao, fa momba anao Aho ; ary aza miherikerika foana, fa Izaho no Andriamanitrao ; ... eny, mitantana anao … Aho." Isaia 41:10

Ny hirako izao, Ray be fitia :

Ny ho akaikinao bebe kokoa

Izay re no hirako mandra-pahafatiko :

Akaikinao.

 

Raha mba sarotra ny diako,

Ka zary maizina ny lalako,

Ry Ray ! akaikinao no tian’ny zanakao :

Akaikinao.

 

Ao no hiseho re ny tohatra

Mba hanatonako ny lanitra

Anjely miantso ahy, akaikinao, ry Ray !

Akaikinao.

 

Ny fahoriana sy loza koa,

Raha eo anilanao dia mody soa.

Ka dia tano aho ho ao akaikinao,

Akaikinao.

 

Na dia hilentika ny androko,

Ary izao hita izao hilaozako,

Mbola ho hirako, ry Andriamanitro :

Akaikinao.

      Ny tononkira voalohany tamin’ity hira ity dia teny anglisy, nosoratan’i Sarah Flower Adam tamin’ny taona 1841. Hatramin’izay dia maro ny hira narafitra avy aminy, mampiasa na ny tonony na ny feony. Fanta-daza ity hira mampihetsi-po ity, ary voadika amin’ny tenim-pirenena maro ; io no dikanteny malagasy, ao amin’ny «Fihirana FFPM».

(rahampitso ny tohiny)

Aucune note. Soyez le premier à attribuer une note !

Ajouter un commentaire

 

Bonjour, bien venu sur le site FPVM Fiombonana Tsarahonenana.

Faly miarahaba anao tonga soa eto amin'ny site FPVM Fiombonana Tsarahonenana. Mirary anao hahazo aim-panahy.