Alatsinainy maraina

Alatsinainy maraina

"Jehovah ô ! … Vokiso ny famindramponao nony maraina izahay, mba hihobianay." Salamo 90:13, 14

      Avy ny orana, mitatao ny rahona. Indro mpiara-miasa iray, montomontotra, niditra tao am-piasana, tsy niarahaba ary nipetraka teo anoloan’ny solosainany. Alatsinainy ny andro ka manomboka indray ny fiaina-mahazatra mampanjonitra. - Tsy mba misy fiovana mihitsy! Mahakamo izany fiainana izany! hoy izy ningonongonona teo am-pitoerana.

      Tamin’ny fotoana fiatoana, dia nanontaniako izy hoe: - Nanao ahoana ny faran’ny herinandro? Dia namiratra ny masony. Notantarainy izay rehetra nataony tamin’ireo andro roa lasa, ary noresahiny izay kasainy hatao amin’ny asabotsy manaraka. Andro roa amin’ny herinandro ihany izy no miaina.

      Izany ve dia fiainana mivelatra sy feno tsara? Fiainana ho ana fotoana mihelina, ho ana fifaliana mandalo. Mila zavatra hafa isika, manome fahasambarana marina sady maharitra. Ary izany no atolotr’i Jesosy Kristy antsika: “Na iza na iza no misotro ny rano izay homeko azy dia tsy hangetaheta mandrakizay” (Jaona 4:14). Te hanome antsika fiainana vaovao mitondra ny tena fahafahampo Izy, ary koa hoavy any aorianan’ny fahafatesana. Mandraka androany, izay manatona an’i Jesosy sy mitoky aminy, amin’ny maha Mpamonjy Azy, dia mahazo izany fanomezana mahagaga izany.

      Isika izay efa manana an’i Jesosy ho Mpamonjy sy Tompontsika, manao ahoana ny fitondrantenantsika isanandro, mandritra ny herinandro, ny alahady, ary ny alatsinainy maraina any am-piasana? Inona no hafatra ampitaintsika amin’ny alalan’ny fitondrantenantsika: fifaliana ve sa alahelo? Inona no lazain’ny apostoly Paoly? “Na inona na inona ataonareo, na amin’ny teny, na amin’ny asa, dia ataovy amin’ny anaran’i Jesosy Tompo izany rehetra izany, ka misaora an’Andriamanitra Ray amin’ny alalany” (Kolosiana 3:17) -fa indrindra ny alatsinainy maraina!

Aucune note. Soyez le premier à attribuer une note !

Ajouter un commentaire

Vous utilisez un logiciel de type AdBlock, qui bloque le service de captchas publicitaires utilisé sur ce site. Pour pouvoir envoyer votre message, désactivez Adblock.

Bonjour, bien venu sur le site FPVM Fiombonana Tsarahonenana.

Faly miarahaba anao tonga soa eto amin'ny site FPVM Fiombonana Tsarahonenana. Mirary anao hahazo aim-panahy.