Firindrana ara-panahy

Firindrana ara-panahy

"Fa aoka ho mpankatò ny teny (ny tenin’Andriamanitra) ianareo, fa aza mpihaino fotsiny ihany."Jakoba 1:22

      Ny haino aman-jery dia manome antsika torohevitra maro mitombina, mba hitehirizana toe-batana salama: «Mihinàna sakafo voalanjalanja - tsy masira loatra, tsy mamy loatra, tsy matavy loatra… Ataovy mifanaraka amin’ny taonanao ny sakafonao… Manaova fanatanjahan-tena».

      Azo ampiharina amin’ny fahasalamana ara-panahin’ny kristiana ireo fitsipika ireo. Mivelona amin’ny famakiana Baiboly ny kristiana. Misy fitsipika vitsivitsy tokony harahina :

      - Mihinana sakafo voalanjalanja: Ampirisihina ny olona hihinana sakafo maro karazana (legioma, vary, ronono…), mba hisorohana ny tsy fahampiana otrikaina. Toy izany koa, tsara ny mamaky ny Tenin’Andriamanitra manontolo. Mirakitra fampianarana mafonja sy maro karazana izany; aoka tsy hianina fotsiny amin’ireo teny efa hita.

      - Tsy masira loatra, tsy mamy loatra, tsy matavy loatra: Ny Tenin’Andriamanitra dia mirakitra fampirisihana sy fampitandremana, fampiononana, fampianarana foto-pinoana… Raha tsy mamaky afa-tsy teny henjana isika, dia ho kivy. Raha mijanona amin’ny teny fampaherezana fotsiny, dia mety hihevi-tena ho tsara. Mila foto-pampianarana madio ihany koa isika, mba hiaina ho voninahitr’Andriamanitra.

      - Ataovy mifanaraka amin’ny taonanao ny sakafonao: Ny zaza dia tsy mitovy filàna amina zatovo, na olon-dehibe, na zokiolona. Aoka hioty, ao amin’ny Tenin’Andriamanitra, izay mifanandrify amin’ny taonantsika ara-panahy.

      - Manaova fanatanjahan-tena: Raha misy olona misakafo kanefa tsy manao fanatanjahan-tena mihitsy, dia hiantraika amin’ny fahasalamany izany. Toy izany koa, tsy mahasalama ny kristiana ny mamaky ny Baiboly mandritra ny tontolo andro; izay vakiany dia tokony ho azony tsara aloha, ary ampihariny eo amin’ny fiainany andavanandro.

Aucune note. Soyez le premier à attribuer une note !

Ajouter un commentaire

Vous utilisez un logiciel de type AdBlock, qui bloque le service de captchas publicitaires utilisé sur ce site. Pour pouvoir envoyer votre message, désactivez Adblock.

Bonjour, bien venu sur le site FPVM Fiombonana Tsarahonenana.

Faly miarahaba anao tonga soa eto amin'ny site FPVM Fiombonana Tsarahonenana. Mirary anao hahazo aim-panahy.