Fitsaharana re izany!

Fitsaharana re izany!

"Andriamanitra tokoa no iantombenan’ny fanahiko; avy aminy ny famonjena ahy. Salamo 62:1 (Hoy Jesosy:) Mankanesa aty; amiko, ianareo rehetra izay miasa fatratra sy mavesatra entana, fa Izaho no hanome anareo fitsaharana." Matio 11:28

      Fitsaharan-danitra, rehefa Anao, ry Jesosy!

      Na maty na velona, dia ho Anao;

      Amin’ny andro mahory, dia mihira am-pinoana:

      Tsara ny zava-drehetra, mandry feizay aho.

      Fitsaharan-danitra, tsy misy manavesatra ahy intsony!

      Afaka aho, noho ny ra latsaka tao Kalvary…

      Ny fahavaloko rehetra? Resin’i Jesosy avokoa:

      Voninahitra sy dera ho an’Andriamanitra Rainay!

      Fitsaharan-danitra, tarihinao ny diako,

      Ampoky ny harenanao aho.

      Lehibe ny fitiavanao, ary isanandro dia hainao

      Ny mampiseho ahy ny tambitambinao.

      Fitsaharan-danitra, ry Tompo, rahatrizay,

      Rehefa hanana ny toerako eo anilanao aho,

      Rehefa avy niasa, niady, nijaly hatrizay,

      Ka ho afaka hibanjina ny tavanao!

      araka an’i A. Humbert

      “Ny saina tsy miovaova dia harovanao ao amin’ny fiadanana tanteraka, satria matoky Anao izy. Matokia an’i Jehovah mandrakizay” (Isaia 26:3-4).

Aucune note. Soyez le premier à attribuer une note !

Ajouter un commentaire

 

Bonjour, bien venu sur le site FPVM Fiombonana Tsarahonenana.

Faly miarahaba anao tonga soa eto amin'ny site FPVM Fiombonana Tsarahonenana. Mirary anao hahazo aim-panahy.