Mahaiza mankasitraka

Mahaiza mankasitraka

"Misaora an’i Jehovah, ry fanahiko; ary aza misy hadinoinao ny fitahiany rehetra." Salamo 103:2

"Misaora amin’ny zavatra rehetra." 1 Tesaloniana 5:18

      Tany amina tanàna iray any ambanivohitra, dia nisy misionera iray vao nametraka takelaka manome herinaratra avy amin’ny masoandro, teo ambony tafon’ny trano bongo iray. Tapitra ny tolakandro, dia tonga ny alina. Nitangorona tao amin’io trano io ny fianakaviana manontolo, mba hahita ilay zava-mahagaga: jiro kely mandeha amin’ny herinaratra, mihantona amina tady, no manazava ny efitra manontolo!

      Dia nitsangana ny raim-pianakaviana, nivavaka: «Ry Ray any an-danitra ô, isaoranay Ianao nanome izao fahazavana izao! Ary miangavy aminao izahay, ampio mba tsy hirehareha satria izahay irery no manana izao fahazavana izao eto an-tanàna».

      Ilay misionera nametraka io takelaka io no nitantara izany tamiko. Izaho kosa, vao haingana dia tojo toe-javatra hafa tanteraka: nisy fikorontanana ny fifandraisana an-telefaonina, ka tsy afaka nampiasa izany aho nandritra ny telo andro. Sorena mafy aho tamin’izany, ary raha ny marina, tsy nahatsiaro hoe nisaotra an’Andriamanitra akory rehefa tafaverina ny fifandraisana.

      Efa mahazatra antsika ireo fitaovana samihafa manamora ny fiainana andavanandro, ary heverintsika fa mandeha ho azy ireny; ka mba omentsika ny tena lanjany ve ireo zava-tsoa atolotr’Andriamanitra antsika isanandro? Ankehitriny dia angatahiko Andriamanitra mba hanampy ahy tsy ho zatra loatra ireo zava-tsoa mampiadana, ka hanjary tsy hankasitraka Azy intsony. Angatahiko koa Izy mba hampianatra ahy ho faly amin’ny toe-javatra rehetra eo amin’ny fiainana (Filipiana 4:11-12).

      “Aoka hanapaka ao am-ponareo ny fiadanan’i Kristy, … ary aoka ho feno fisaorana ianareo” (Kolosiana 3:15).

      Isao ireo zava-tsoa omen’Andriamanitra,

      Ataovy eo ambany masonao avokoa :

      Rehefa mitsaoka ianao,dia hahatsikaritra

      Fa maro izany, tsy hita noanoa.

Aucune note. Soyez le premier à attribuer une note !

Ajouter un commentaire

Vous utilisez un logiciel de type AdBlock, qui bloque le service de captchas publicitaires utilisé sur ce site. Pour pouvoir envoyer votre message, désactivez Adblock.

Bonjour, bien venu sur le site FPVM Fiombonana Tsarahonenana.

Faly miarahaba anao tonga soa eto amin'ny site FPVM Fiombonana Tsarahonenana. Mirary anao hahazo aim-panahy.