Mandehana, ka tantarao

Mandehana, ka tantarao

"Modia ihany any an-tranonao ho any amin’ny havanao, ka lazao aminy izay zavatra lehibe nataon’ny Tompo taminao sy ny namindrany fo taminao."Marka 5:19

"Ataovy ny asan’ny evanjelista, tanteraho ny fanompoanao."2 Timoty 4:5

      Miantso antsika ny feon’i Kristy;

      Fotoana tokony hifohazana izao.

      «Betsaka sady tsara ny vokatra!

      Iza no te hiasa ho Ahy?»

      Ny Mpamonjinao, ry rahalahy,

      No miteny izany aminao.

      Valio an-kitsimpo Izy hoe:

      «Inty aho, Tompo, tefeo aho!»

      Tsy voatery hiampita ranomasina masiaka

      Ianao, vao ho afaka manambara an’i Jesosy.

      Maro ireo fanahy tsy miraharaha,

      Ireo fo mijaly sy very!

      Manodidina antsika dia betsaka ny asa,

      Fa kely kosa ny finoantsika.

      Mibaiko anao Jesosy, ka valio hoe:

      «Tompo ô, tariho aho!»

      Na tsy nahazo fanomezana

      Hahay mandaha-teny aza ianao,

      Dia afaka mijoro ho vavolombelona

      Hoe ao amin’i Jesosy no misy famelan-keloka;

      Azonao ambara amin’ny namanao

      Izay nataon’i Kristy ho anao.

      Mba hanolorany saina anao,

      Dia ilazao Izy hoe: «Tompo ô, ampianaro aho!»

      Araka an’i R. Saillens

Aucune note. Soyez le premier à attribuer une note !

Ajouter un commentaire

 

Bonjour, bien venu sur le site FPVM Fiombonana Tsarahonenana.

Faly miarahaba anao tonga soa eto amin'ny site FPVM Fiombonana Tsarahonenana. Mirary anao hahazo aim-panahy.