Ny Teny fahavalo: Aza mangalatra

FPVM FIOMBONANA TSARAHONENANA

Fiangonana Protestanta Vaovao Eto Madagasikara

Ny Teny fahavalo: Aza mangalatra

"Aza mangalatra." Eksodosy 20:15

"Aoka izay nangalatra tsy hangalatra intsony; fa aleo hikely aina ka hiasa izay tsara amin’ny tànany, mba hisy homeny izay tsy manana." Efesiana 4:28

      Amin’ny ankapobeny dia ekena ny fandrarana tsy hangalatra. Saingy eo amin’ny fiainana andavanandro, dia ohatra ny hoe ny “tratra mangalatra” no tena loza! Ny hoe mangalatra anefa dia midika fa tsy manaja ny hafa, ary manota amin’Andriamanitra.

      Ho antsika kristiana dia tena lavitra kokoa noho izany ny fiantefan’io didy io. Afaka mangalatra amin’ny fomba samihafa isika. Mangalatra amin’Andriamanitra isika, rehefa tsy mankasitraka sy mampiasa tsy am-piheverana ireo fanomezana atolony, toy ny fisiantsika, ny fahasalamana, ny fahavitana manao zavatra sy fahaizana ara-tsaina, ny andro iainana eto an-tany ahafahan’ny tsirairay mampamokatra izay nomen’Andriamanitra azy.

      Mangalatra amin’ny vady aman-janatsika isika, rehefa mandanilany foana ny fananana sy fotoanantsika, ka tsy manokana izany ho azy ireo, fa mividividy zavatra tsy ilaina sy manao zavatra tsy misy dikany.

      Mangalatra amin’ny mpampiasa antsika isika, rehefa tsy manaja ny ora nifanarahana, na mampiasa an-tsokosoko fitaovan’ny orinasa ho an’ny tombontsoantsika manokana. Mangalatra amin’ny olona karamaintsika isika, rehefa tsy mandoa aminy karama ara-drariny na ahafahany manana fari-piainana mendrika.

      Mangalatra isika, rehefa mandanilany foana ny fananantsika, kanefa ny firenena hafa tsy manana akory izay ilainy amin’ny fiainana andavanandro.

      Ry kristiana namana, tafiditra ao anatin’ny fampianaran’i Kristy ny fandrarana tsy hangalatra. Ny fampianaran’i Kristy dia mihoatra noho izany fandrarana izany, fa mitaona antsika hiasa, mba hahafahantsika manampy ihany koa ireo tena mahantra. Fomba iray izany, ahazoana maneho ilay fitiavana apetrak’Andriamanitra ao anatin’ny fon’ireo izay mitoky aminy.

Aucune note. Soyez le premier à attribuer une note !

Ajouter un commentaire

 

Bonjour, bien venu sur le site FPVM Fiombonana Tsarahonenana.

Faly miarahaba anao tonga soa eto amin'ny site FPVM Fiombonana Tsarahonenana. Mirary anao hahazo aim-panahy.