Raha izao moa aho no tsy afaka…

Raha izao moa aho no tsy afaka…

"Matokia an’i Jehovah amin’ny fonao rehetra, fa aza miankina amin’ny fahalalanao; maneke Azy amin’ny alehanao rehetra, fa Izy handamina ny làlanao."Ohabolana 3:5-6

"Ankino amin’i Jehovah ny làlanao, ary matokia Azy."Salamo 37:5

      Mibosesika eo am-baravaran’ny efitrano hanaovana fanadinana ny mpianatra. Niezaka mafy izy ireo, ary androany dia tonga hiatrika ny «fifaninanana», tanjon’izany ezaka izany. Maro ny mpiadina, fa vitsy kosa ny horaisina.

      Eo am-piandrasana ny fiantsoana anarana, dia mifampiresaka ny sasany:

      -Mangovitra aho, hoy i Ranto, mieritreritra fa miankina amin’ireto ora manaraka ireto ny hoaviko manontolo.

      -Natontoko tao amin’ity fifaninanana ity ny zava-drehetra. Raha izao moa aho no tsy afaka… Tsia, tsy sahiko eritreretina akory… hoy ny mpianatra iray hafa, ningonongonona.

      -Izaho indray, raha tsy afaka, dia tsy manana hoavy intsony, hoy ity mpianatra iray efa namerin-taona.

      Nangina i Lioka nihaino ireo namany. Izy koa dia nianatra mafy. Nitebiteby toy ny rehetra izy, io maraina io. Mba te ho afaka izy. Saingy kristiana i Lioka, ka hafa ny toe-pony. Niomana tsara izy, saingy napetrany tamin’Andriamanitra Rainy izay ho valin’ny ezaka nataony. «Raha tsy afaka moa aho?» Fantatr’i Lioka fa Andriamanitra dia mampiara-miasa ny zavatra rehetra -eny, ny zavatra rehetra, ao anatin’izany koa izay mety ho tsy fahafahana - hahasoa azy (Romana 8:28).

      Ry tanora mpino, hevero ho toy ny fizàrana tena ilaina ny hoe miara-miaina amin’Andriamanitra ireny fotoana mampanahy ireny. Aza hadino koa ilay tena tanjon’ny fiainanao, aza hadino ny hoavinao any an-danitra, izay efa azo antoka. Mifangarika tanteraka amin’ny an’ireo tsy manana fanantenana! Nianatra namory ny herinao rehetra ianao, mba hahomby amina dingana iray eo amin’ny fiainanao eto an-tany. Aoka izany hanampy anao hanokan-tena ho an’i Kristy, ho tia Azy bebe kokoa, hahafantatra Azy, hanaraka sy hanompo Azy.

Aucune note. Soyez le premier à attribuer une note !

Bonjour, bien venu sur le site FPVM Fiombonana Tsarahonenana.

Faly miarahaba anao tonga soa eto amin'ny site FPVM Fiombonana Tsarahonenana. Mirary anao hahazo aim-panahy.