Mitroatra fa tsy manota

Mitroatra fa tsy manota

"Tsy mahafantatra izay ratsy va ny vavako? Tsy mpiantafika va ny zanak’olombelona et? ambonin’ny tany? Ary tsy tahaka ny andron’ny mpikarama va ny androny? Toy ny mpanompo maniry alokaloka, ary toy ny mpikarama miandry ny karaman’ ny asany, Dia toy izany no anaovana ahy hahita volana mampahory, ary alina mahadisadisa no tendrena ho ahy. Raha vao mandry aho, dia mieritreritra hoe: Rahoviana re no hifoha aho? Fa mihalava izany ny alina, ary mivadibadika indrindra aho mandra-pahazavan’ny andro. Ny nofoko mitafy olitra sy baingan-tany; efa maina ny hoditro, kanjo mitsiranorano indray. Faingana noho ny famahanan-tenona ny androko ka lany tsy misy fanantenana. Tsarovy fa rivotra ny aiko: ary tsy hahita soa intsony ny masoko. Tsy hahita ahy intsony ny mason’izay mijery ahy: Ny masonao hizaha ahy, fa tsy ho ao aho. Tahaka ny rahona misava ka levona, dia tahaka izany koa, izay midina any amin’ny fiainan-tsi-hita tsy mba hiakatra intsony; Tsy hiverina any an-tranony intsony izy. Ary tsy hahalala azy intsony ny fonenany. Ary izaho dia tsy hamehy vava, Fa hiteny noho ny fahorian’ny fanahiko sy hitaraina noho ny fangidian’ny aiko. Ranomasina va aho, na trozona, No dia asianao fiambenana? Raha hoy izaho: Hampionona ahy ny farafarako, hampitony ny fitarainako ny fandriako. Dia mampitahotra ahy amin’ny nofy Hianao ary mampihorohoro ahy amin’ ny tsindrimandry; Ka dia aleon’ny fanahiko ny hokendaina, eny, aleoko ny fahafatesana aza toy izay izato fitofezako izato; Maharikoriko ahy izao, tsy tiako ny ho velona ela; Ilaozy miala aho, fa fofona foana ny androko. Inona moa ny zanak’olombelona, no ekenao ho lehibe, ka ampandinihinao azy ny fonao, Sady fantarinao isa-maraina izy; sy izahanao toetra isaky ny indray mipi-maso? Mandra-pahoviana re vao hihodina tsy hijery ahy Hianao, ka mba hiala amiko mandra-piteliko rora? Na dia ho nanota aza aho, nampaninona Anao moa izany, ry Mpandinika ny olombelona? Nahoana no dia nataonao fikendry aho, ka efa tonga enta-mavesatra amiko aho? Ary nahoana no tsy mamela ny fahadisoako sy manaisotra ny heloko Hianao? Fa izao dia efa handry any amin’ny vovoka aho; ary hitady ahy fatratra Hianao, fa tsy ho at? intsony aho." Joba 7:1-21

      Ny valin-kasasarana (1-6). Oharin’i Joba amin’ny mpiasa ny zanak’olombelona, ka tokony hahazo ny valin-kasasarany na ny karamany. Malahelo anefa izy fa tsy izany no manjo azy fa toa vao mainka fahoriana aza no vokatry ny fankatoavany an’Andriamanitra. Andriamanitra manam-pahefana amin’ny zavatra rehetra anefa Izy ary manana ny hevitra iheverany ny tsirairay araka ny Isaia 55.8a manao hoe “Fa ny fihevitro tsy fihevitrareo,…”. Mila faharetana tokoa isika amin’izay zava-manjo antsika ka aoka hatoky fa Andriamanitra no efa miahy ny ampitsontsika.

      Mijery ny olombelona tsirairay ny Tompo (7-2). Anisan’ny mampiavaka an’i Joba ny fahasahiany miresaka tsy misy hambahamba amin’Andriamanitra, ka izay ao am-pony no lazainy. Sahy nitroatra mihitsy aza izy satria tsy azony ny anton’izay manjo azy. Hany ka nahatonga azy nametra-panontaniana ny antony hanavahan’Andriamanitra manokana ny olombelona miohatra amin’ny zavaboary hafa rehetra (17). Mampahatsiahy ny Salamo 8:4 manao hoe “Inona moa ny olona no hahatsiarovanao azy? ary ny zanak’olombelona no ahatsiarovanao azy ?” izany. Tao anatin’izany tsy fahatakarana ny hevitr’Andriamanitra izany anefa dia tsy nanota mihitsy i Joba, fa sahy kosa namboraka ny tao am-pony sy ny alahelony. Ankehitriny ihany koa dia zontsika ny mitaraina sy mamoaka ny ao am-pontsika amin’Andriamanitra, ka tsy ao anaty fahotana no hanaovana izany.

      Fampieritreretana: Sahiko ve ny mamoaka ny ao am-poko tanteraka amin’Andriamanitra?

Aucune note. Soyez le premier à attribuer une note !

Bonjour, bien venu sur le site FPVM Fiombonana Tsarahonenana.

Faly miarahaba anao tonga soa eto amin'ny site FPVM Fiombonana Tsarahonenana. Mirary anao hahazo aim-panahy.