Toa lavitra dia lavitra ahy Andriamanitra

« Fa izay rehetra nandray Azy (Jesosy) dia nomeny hery ho tonga zanak’Andriamanitra, dia izay minon y anarany. » Jaona 1 :12

       "Teraka tany Maroc aho. Rehefa nifindra monina nankany Frantsa izahay minakavy, dia mbola nanaraka ny fivavahako hany aho, saingy toa lavitra dia lavitra ahy Andriamanitra. Naniry hanana fifandraisana mafy kokoa taminy aho, nitady Azy, kanefa fahafoanana hatrany no tsapako. Tamin’izay fotoana izay dia lasa kristiana i Fatima zokiko vavy. Fahafaham-baraka izany ho anay, norovitinay ny Baiboliny, saingy tsy afaka nanala taminy ilay finoana anaty nanany izahay. Nanohina ahy ny hafanam-po sy fiadanana ary fitiavana miseho amin’io anabaviko io. Nasain’ny ray amandreniko “nanara-maso” azy aho. Efa nanana hevitra maro momba ny fivavahana kristiana aho, nefa nony niditra tao amin’ny fiangonan nalehan’ny anabaviko, ary nahita ny fitsaohan’ireonkristiana an’Andriamanitra mihoatra noho ny fitiavako Azy ireo kristiana ireo.

      Koa dia namaky ny Baiboly aho, ary babon’I Kristy. Mpanjaka lehibe nandao ny voninahitry ny lanitra, mba ho teraka ao an-tranon’omby! Mpanjaka miteny amiko hoe: “Tiava ny fahavalonareo, ary mivavaha ho an’izay manenjika anareo”! nahafantatra nya atao hoe ota aho: mangalatra, mandainga, nefa nanoloana ny hazofijalian’I Jesosy, dia nahatsapa ny fahantrako ka dia nangataka famelan-keloka tamin’Andriamanitra. tatỳ aoriana aho dia nangataka famelan-keloka tamin’ireo olona maro nanaovako ratsy. Nankahala ny raiko aho; nefa namihina azy sady nangataka famelan-keloka taminy sy namela heloka azy. Nandalo ny toe-javatra niainako ny raiko: nandray an’I Jesosy te amin’ny fiainany. Rehefa nandray an’I Jesosy aho dia nifanena tamin’Andriamanitra; Izy no Raiko any an-danitra, ary nahazo antoka ny amin’ny fiainana mandrakizay aho.”

Aucune note. Soyez le premier à attribuer une note !

Ajouter un commentaire

 

Bonjour, bien venu sur le site FPVM Fiombonana Tsarahonenana.

Faly miarahaba anao tonga soa eto amin'ny site FPVM Fiombonana Tsarahonenana. Mirary anao hahazo aim-panahy.