Tantaran'ny fetin'ny Ray

Tantaran'ny fetin'ny Ray

I. NY FIANDOHANY

     Efa ela no nankalazana ny fetin’ny ray ary mifamatotra amin’ny fiainam-pianakaviana izany. Ny teny hoe ray na “père” dia avy amin’ny teny latina hoe “pater”, ary eo anivon’ny kristiana dia entina iantsoana an’Andriamanitra Mpahary. Ny amerikana no nankalaza izany voalohany indrindra. Izany atao hoe Gonora Louise Smart izany izay nanambady an’I Dodd no nanana hevitra voalohany hankalaza ny fetin’ny ray.

Niahy irery an’ireo anadahiny 6 izy tamin’ny faha-fito amby roapolo taonany izy taorian’ny nahafatesan’ny reniny tamin’ny 1898. Nandritry ny Toriteny nataon’ny mpitandrina tamin’ny Fetin’ny reny, dia nanana eritreritra izy, , fa tokony hankalazaina ihany koa ny fetin’ny ray, ary dia niresaka izany tamin’ny mpitandrina.

     Ny taona manaraka io, ny 19 Jona 1910, dia nakalazaina tao amin’ny tanàna kely atao hoe Spokane ny fetin’ny ray. Ny anton’io daty io satria teraka tamin’ny volana Jiona ny rain’I Smart. Tamin’ny taona 1924 indray anefa vao naverin’ny Filoha Calvin Coolidge izany. Nefa tamin’ny taona 1966 vao tena natao ofisialy izany fankalazàna izany.

II. NY HEVINY

     Ny fetin’ny ray dia fahatsiarovana ny toerana misy ny raim-pianakaviana ary fankasitrahana azy sy fanehoana fitiavana manoloana ny andraikitra sarobidy tazoniny eo amin’ny fiainam-pianakaviana. Mifanaraka amin’ny Soratra Masina rahateo izany, araka ny Eksodosy 20 “Manaja ny rainao sy ny reninao”. Ankoatry ny tokony hitiavan’ny zanaka ny ray, dia eo koa ny toeran’ny vady. Ny lahy no lohan’ny vavay hoy ny Soratra Masina, ary hianareo vehivavy maneke ny vadinareo. Amin’ny maha-loham-pianakaviana azy, dia mendrika ny hahazo fanajàna sy fanekena, indrindra eo anivon’ny ankohonany. Ny Baiboly dia mametraka ny toeran’ny lehilahy amin’ny maha-izy azy eo amin’ny fiainam-pianakaviana. Izy no nohariana voalohany, avy aminy ihany koa no nangalàna ny vehivavy (taolan-tehezana), ary izy hoy ny Soratra Masina no lohan’ny vavy, tahaka an’I Kristy Lohan’ny Fiangonana. Noho izany, sarobidy loatra ny toeran’ny raim-pianakaviana, ary tokony hihazona izany toeram-boninahitra izany izy, ary mba hanaja izany koa ny vady aman-janany.

     Indrisy anefa, fa misy ny raim-pianakaviana tsy mba mahazo izany fanajàna izany eo amin’ny fiainany. Misy ny vehivavy sasany manana toetran’ny “akohovavy maneno” hoy ny Ntaolo. Misongona ny toeran’ny lehilahy no hevitr’izany, manao tsinontsinona azy, eny na eny imasom-bahoaka aza. Tandremo, fa Andriamanitra mihitsy no toherintsika, raha izany. Alaivo tahaka ranabavy malala izay nataon’I Saraha vadin’I Abrahama, fa tena niankohoka mihitsy teo amin’ny vadiny izy ary niantso azy hoe “ry Abrahama tompoko”. Tsarovy fa solontenan’Andriamanitra izy, ny marimarina kokoa dia ny toeran’I Jesosy, araka ny voalaza ery ambony. Marina fa misy ray hafahafa sy tsy manaja ny toerana maha-ray azy marina, nefa izao no tsarovy: misy zavatra tsara na dia kely fotsiny aza mba napetrany eo anivon’ny fianakaviana, eny na dia ny nahazoana taranaka ihany aza. Izany akory tsy midika fa tsy dia manana ny maha-izy azy ny vady tsy miteraka, na ny lehilahy io na ny vehivavy, satria mety tsy hiteraka ihany koa ny lehilahy. Na dia ireny mamolava sy mpanitsakitsa-bady ireny aza, hajao ihany, fa ny fanajanao azy, dia fankatoavanao an’ilay Andriamanitra nahary. Tsarovy koa anie fa ny fitiavana manarona fahotàna maro e?

Henoy kely ity tantara marina tany Afrika ity:

     Nisy vehivavy iray izay tena nijaly fatratra noho izay nataon’ny vadiny. Na mety ny nataony na tsy mety, dia vono, latsa, fandroahana no nahazo azy isan’andro. Ranomaso no fiahiny andro aman’alina. Rehefa tena tsy zakany intsony, dia lasa izy namonjy ny olo-kendry iray teo an-tanàna mba hitady fanampiana ny amin’izay tokony hataony. Dia nanoro hevitra azy ny olo-kendry mba hitondra eo aminy volona liona telo, liona velona fa tsy maty. Very fanahy mbola velona izy, satria fanampiana no notadiaviny, nefa toa enta-mavesatra indray ity no azo. Aiza no ahazoany an’izany, tsy ataon’ny liona indraim-bava ve izy?

     Rehefa nieritreritra lalina anefa izy, tamin’ny zavatra izay nasain’ny olo-kendry nataony, dia hitany ny hevitra. Ry zareo mantsy dia niompy ondry, ka vao maraina koa izy dia nitondra zanak’ondry tany anaty ala. Vantany vao tonga tao izy dia avy ny Liona, ary dia natsipiny ny zanak’ondry, ary io no nohanin’ny liona. Dia nataony koa izany ny andro faharoa, fahatelo…ary tonga nifankazatra izy sy ny liona. Tamin’ny andro fahafito nitondrany ny zanak’ondry fahafito dia efa niandry aza tahaka an’ireny saka miandry ny sakafo amin’ny tompony ireny ny liona ary rehefa avy nihinana ny sakafony izy dia rendriky ny tory. Ravehivavy nipetraka nanafosafo azy teo anilany. Tamin’izay indrindra izy no nanararaotra nisintona ny vola anakitelo, ary dia niainga moramora nankanay amin’ilay olo-kendry.

Rehefa tonga tany izy, dia hoy ilay olon-kendry: “Ravehivavy, izay nataonao tamin’ilay liona dia ataovy amin’ny vadinao”.

     Eny tokoa, tsy lavina fa misy ny lehilahy manana ny toetran’ny liona, mitrerona, mamiravira, manitsakitsaka, miloka, mihinana zava-maha-domelina…Diniho ny tantaran’ity vehivavy afrikana ity: tsy niady irery izy fa lasa nandeha nitady fanampaiana tany amin’ny olo-kendry. Tsy vitantsika irery ny mibaby ny olana na ny enta-mavesatra ao amintsika, fa mila manantona an’Andriamanitra isika. Izy no manome tolo-tsaina sy fahendrena ahafahantsika mivoaka amin’ny zava-tsarotra mahazo antsika. Jereo ange ny toro-marika avy amin’ilay olo-kendry e: tsy ny fibatabana, na ny filana ady, na ny fisintahana ihany koa no vaha-olana, fa ny fanaovana sorona ny tena amin’ny zavatra rehetra. Ny fitiavana ihany koa hoy ny Baiboly, manarona fahotana maro, ary ny tena sakaiza dia ny manolotra ny ainy hamonjy ny ondry. Raha toa ka manana izany toetra izany ny vadinao, dia aoka ianao hanana fo onena azy fa mijaly izy, ary mila famonjena. Aoka anefa isika tsy ho tia amin’ny teny ihany fa amin’ny asa ihany koa. Misy milaza fa tia, nefa tsy mahafoy na dia vatomamy iray akory aza. Asehoy amin’ny asa ny teny aloaky ny vavanao, fa ny asa tanteraka, mihoatra lavitra ny teny arivo avoaky ny vava.

     Toy izany koa isika zanaka, marina fa misy ray adala tahaka an’I Noa, voafatotry ny divay ary mamo teny imasom-bahoaka. Anatra lehibe rankizy izay nataon’I Sema sy Jafeta rehefa nahita ny rainy mamo sy niboridana. Tsy sahy akory nijery ny fitanjahan’ny rainy izy roalahy. Ny hoe “aza mandry amin’ny…havanao akaiky” ao amin’ny Levitikosy 18 no heviny amin’ny teny fototra, dia “aza mijery ny fitanjahany”. Naka lamba izy roalahy, ary nanao dia mianoatra ka natafiny ny rainy. Hama kosa anefa, izay rain’I Kanana, tsy mba nanao toy izany fa nanondro molotra sy naneso ny rainy, ary ny niafarany dia voaozona? Hitantsika ny tantaran’ny kananita ao amin’ny Baiboly, fa tonga olona tsy mahalala an’Andriamanitra, mitoky amin’ny fanompoan-tsampy, ary voaroaka tao amin’ny tany nisy azy mba hitoeran’ny Zanak’Isiraely. Tsarovy fa raha malahelo ny raim-pianakaviana, ka tsy mitso-drano antsika, dia ho zava-doza no vokatr’izany. Mandalo eo aminy mantsy ny tso-dranon’Andriamanitra. Mazava ny teny voalazan’ny Soratra Masina: “manajà ny rainao sy ny reninao mba ho maro andro ianao”.

     Ary isika raim-pianakaviana kosa, ianaro sy tahafo ireo raim-pianakaviana ao amin’ny Soratra Masina, tahaka an’I Abrahama, Josoa, Davida…izay nanome ohatra ny amin’ny fitiavana an’Andriamanitra sy ny ankohonany. Aoka isika lehilahy hivavaka eny tontolo eny, hanandra-tanana masina, tsy amin’ny fahatezerana na amin’’ny fifandirana. Marina fa mavesatra ny adidy miandry antsika, amin’izao fotoana izao, reraka amin’ny asa sy ny fitadiavana asa, indraindray mbola tsy mahazo sitraka ihany koa, aza adinoina ny miantoraka amin’Andriamanitra amin’ny zavatra rehetra. Mpanompoko ianao hoy Jehovah mantsy an’I Jakoba, efa nofidiako tsy mba ariako.

     Jereo anie izay nataon’Andriamanitra tamin’I Jakoba rahalahin’I Esao fahizay e! Mafy ady hoy ny fitenenana satria lasa mpirenireny, vato no mba natao ondana, tany an’efitra, fa teo amin’ny toerana izay nisy azy Andriamanitra. Vaky vava izy nanao hoe: “Eto amin’ity toerana ity tokoa Jehovah, fa izaho no tsy nahalala” (Genesisy 28). Tsy lavitra anao Andriamanitra rahalahy ary marina mandrak’ankehitriny ny teniny hoe: “Akaikin’izay miantso ahy aho, dia izay miantso ahy marina tokoa”.

     Zavatra iray atoroko antsika lehilahy ihany koa amin’izao andro sarotra izao, tadidio ny Tenin’I Jehovah tamin’I Adama, sy ny toro-marika nataony ho azy tao amin’ny saha Edena. Napetraka tao mantsy izy hiasa sy hitandrina ny saha. Zava-dehibe izany satria nataon’Andriamanitra ho zava-dehibe loatra ny asa, fa teo amin’ny toerana izay nametrahany azy dia nisy asa sahaza nomen’Andriamanitra azy. Anjarantsika rahalahy ny mangataka amin’Andriamanitra ny asa izay tokony ho antsika, ary tsy lavitra izany saha izany. Ny Apostoly Paoly dia nilaza fa ireto tanako ireto no niasa, hahazoako sy izay niaraka taminay izay nilainay. Ary tsy tokony hiraviravy Tanana mihitsy isika lehilahy, na inona na inona olana sy zava-manahirana. Mety hiteny angamba isika hoe, izaho tsy mahay asa-tanana, na izaho tsy manam-pahaizana. Tsarovy fa rehefa miaraka amin’Andriamanitra, ataon’Andriamanitra matsilo saina sy manana fahendrena. Ny Apostoly Paoly dia milaza fa “izahay manana ny sain’I Kristy”, ary izany saina natolotr’Andriamanitra izany dia tsy mba nafeniny na oviana na oviana.

     Tsara ihany koa ny mamantatra ny talenta izay efa nomen’Andriamanitra antsika tsirairay avy. Misy mantsy izy ireny efa voa-janahary tao anatintsika, nefa indraindray adinontsika ny mitrandraka azy ireny. Ohatra amin’izany raha mahay mihira isika ohatra rahalahy, trandraho sy ento amim-bavaka izany, ary ampiasao hoan’Andriamanitra aloha voalohany indrindra. Ireny talenta izay heverina ho kely ireny, atolory an’I Jesosy tahaka ilay mofo dimy sy hazandrano roa, fa hampitomboany amin’ny fomba mahagaga izany. Tena lazaiko anao, fa izaho izay manoratra dia nandevina talenta aho hatramin’izay. Ny fahaizako kely izay mba nananako dia nampatoriako, tsy nampiasaiko, ary dia nahatsapa mihitsy aho fa matiantoka tamin’izany. Izao aho vao mamoha izay rehetra nianarako tany am-pianarana, ka mampiasa izany hoan’ny Tompo aloha, ary dia tsapako ny fitahiana omen’Andriamanitra ahy amin’izany, ary mifaly amin’izany aho satria tahaka ny velona indray ny zavatra izay efa maty tao amiko. Raha misy mantsy zavatra efa napetratsika ao anatin’ny saina ao nefa tsy ampiasaina, dia harafesina ao izany ary manimba. Tahaka ny vary masaka nefa napetraka fotsiny ao am-bilany, dia tsy maintsy ho simba izany, hasiso ary hanimba ny vilany mihitsy. Tena mahasalama ny mitrandraka zavatra efa nianarana sy hay taloha tany, tahaka ny mahita zava-baovao indray ianao amin’izao fotoana izao, ary ahitana zava-baovao koa ireny.

     Manampy izany ihany koa, ilaina ny mamantatra ihany koa ny zava-misy amin’izao fotoana izao sy ny mahalala ny hevitr’Andriamanitra ny amin’izy ireny. Ny olon’Andriamanitra marina dia afaka mandinika sy mijery ny zava-misy amin’ny masom-panahy, ary afaka mandray sy mitrandraka izany ihany koa. Ny Soratra Masina dia manamafy izany: “Fantaro ny zavatra rehetra dia hazony mafy izay tsara”. Ny fahatsaràna ihany koa dia ho an’izay mino, hoy ny Apostoly Paoly. Ny tsy fahaizantsika mandinika ny zavatra tsara matetika no mahavoa antsika, ary mahatonga antsika ho kivy ambony ihany. Na ny olona miara-mipetraka amintsika, toy ny vady ohatra, jereo izay toetra tsara ananany, trandraho izany ary ankasitraho azy sy anampio azy amin’izay tokony hataony. Toy izany koa ny ankizy, misy mahay zava-maneno ohatra, na dia maditra aza, ampiasao izany fahaizany izany hahatonga azy manan-talenta, ka hanana ny ho aviny amin’ny fiainana. Jereo tsara fa feno zavatra tsara sy toetra tsara manodidina antsika toy ny rahona, mahaiza manararaotra izany mba hahafahana mioitra amin’ny fiainana. Mitarika antsika hahita zava-baovao hatrany izany fitrandrahana ny zavatra tsara izany. Fa raha ny ratsy sy ny lafiratsim-piainana foana no hitantsika eo amin’ny olona iray na ny toe-javatra iray dia tsy ho tafita na oviana na oviana isika. Misy olona, indrindra isika lehilahy, tsy mihevitra afa-tsy ny hanakiana ny hafa, na hialona azy amin’ny zavatra ataony, ary misy aza mitsara ambony ihany amin’ny zavatra ataon’ny hafa. Mihevitra foana izy ireny fa ny zavatra tsara ataon’ny olona iray dia misy tetika ratsy foana ao ambadika. Tsy dia toe-tsaina ambony izany, fa mirefarefa amin’ny tany aza, ka tokony ho sorohina.

     Misy koa ny lehilahy sasany manana toe-tsaina tsy mivaky loha. Mety maka tahaka izay ataon’ny hafa fotsiny, fa tsy mba mikaroka. Misy aza ny sasany manimba izay vitan’ny hafa, na mangalatra mihitsy. Ny toetsain’ny mpanompon’Andriamanitra amin’izao fotoana izao, dia toe-tsaina madio, tahaka ny an’ny zazakely.

III. FEHINY

   Izao fetin’ny ray ankalazaintsika izao dia mitarika ny ray rehetra hametraka amin’ny toerana nametrahan’Andriamanitra antsika ny maha isika antsika. Fotoana hibanjinana an’Andriamanitra sy ny fahatsarany ny fetin’ny ray, ary fitrandrahana ny talenta sy ny fanomezam-pahasoavana rehetra. Dia atolory an’Andriamanitra izany ange, ary ampiasao amin’izay, dia ho hitanao ny voninahitr’Andriamanitra!

 

Pasteur RANDRIANARISOA Jean Aimé

1 vote. Moyenne 1.00 sur 5.

Date de dernière mise à jour : 26/11/2013

Bonjour, bien venu sur le site FPVM Fiombonana Tsarahonenana.

Faly miarahaba anao tonga soa eto amin'ny site FPVM Fiombonana Tsarahonenana. Mirary anao hahazo aim-panahy.