Atolory ahy izay sarobidy aminao

Atolory Ahy izay sarobidy aminao

      Genesisy 22 : 1-18 « Ary rhefa afaka izany zavatra izany, dia nizahan’Andriamanitra toetra Abrahama, ka hoy Izy taminy : Ry Abrahama ô ! ary hoy izy ; Inty aho. Ary hoy Izy : Ento ny zanakao, ny lahitokanao izay tianao, dia Isaka ka mankanesa any amin’ny tany Moria ; ary atero any izy ho fanatitra dorana ao amin’ny tendrombohitra anankiray izay holazaiko aminao. Ary nifoha maraina koa Abrahama dia nanisy lasely ny borikiny ka nitondra zatovony roa lahy koa niaraka taminy sy Isaka zanany ary namaky ny hazo hataina amin’ny fanatitra dorana izy dia niainga ka anankany amin’ny tany izay efa nolazain’Andriamanitra taminy, nony tamin’ny andro fahatelo Abrahama dia nanopy ny masony ka nahatazana ny tany tery lavitra ery. Ary hoy Abrahama tamin’ny zatovony: Mijanona eto amin’ny boriky hianareo, fa izaho sy ny zazalahy handeha hankery ; ary hivavaka izahay dia hiverina eto aminareo indray. Dia nalain’i Abrahama ny hazo hataina alin’ny fanatitra dorana ka natataony an’Isaka zanany ; fa izy kosa nitondra ny afo sy ny antsy teny an-tànany ; ary dia niara nandeha izy mianaka. Ary Isaka niteny tamin’i Abrahama rainy ka nanao hoe : Ry ikaky ô ! dia hoy izy : Inty aho, anaka. Ary hoy izy : Indreto ny afo sy ny kitay ; fa aisa kosa izay ondry hatao fanatotra dorana ? Fa hoy Abrahama : Anaka, Andriamanitra no hahita izay ondry hatao fanatitra dorana ; dia niara-nandeha izy mianaka. Ary rehefa tonga teo amin’ny tany izay efa nolazain’Andriamanitra taminy izy, dia nanorina ny alitara teo Abrahama ka nandahatra ny kitay ; dia namatotra an’i Isaka zanany izy ka nametraka azy tambonin’ny alitara teo ambonin’ny kitay. Ary Abrahama naninjitra ny tanany ka nandray ny antsy mba hamonoany ny zanany. Fa niantso azy Ilay Anjelin’i Jehovah tany an-danitra ka anao hoe : Ry Abrahama, ry Abrahama ô ary hoy kosa izy : Inty aho. Dia hoy Izy : Aza maninjitra ny tànanao amin’ny zazalahy ary aza maninona azy akory hianao ; fa hitako izao fa matahotra an’Andriamanitra hianao, ka tsy narovanao tamiko ny zanakao, dia ny lahitokanao. Ary Abrahama niherika nijery ka, indro, nisy ondrilahy teo ivohony, voasaringotry ny kirihitrala ny tandrony ; dia lasa Abrahama ka naka ny ondrilahy ary nanatitra azy ho fanatitra dorana ho solon’ny zanany. Ary ny anaran’izany tany izany dia nataon’i Abrahama hoe Jehovah-jire; dia izany no anaovana mandraka ankehitriny ny hoe: Any an-tendrombohitra no hisehoan’i Jehovah. Dia niantso an’i Abrahama fanindroany tany an-danitra Ilay Anjelin’i Jehovah ka nanao hoe : Ny tenako no nianianako, hoy Jehovah : Satria nanao izany zavatra izany hianao ka tsy niaro ny zanakao, ilay lahitokanao, dia hitahy anao tokoa Aho ary hahamaro dia hahamaro ny taranakao, ho tahaka ny kintana any amin’ny lanitra sy ho tahaka ny fasika izay any amoron-dranomasina ; ary ny taranakao hahazo ny vavahadin’ny fahavalony ; ary amin’ny taranakao no hitahiana ny firenena rehetra ambonin’ny tany, satria nanaiky ny teniko hianao. »

      Dia faly miarahaba antsika rehetra amin’ny anaran’i Jesosy Kristy Tompo, ny fahasoavana amam-piadanany anie ho aminaoreo mandrakariva. Ny tenin’Andriamanitra tonga amintsika anio indray ry havana malala ao amin’ny Tompo, dia ny tantaran’i Abrahama. I Abrahama dia lehilahy nofidian’Andriamanitra, izy ilay lehilahy izay nantsoin’Andriamanitra ho any amin’ny tany izay hasehony hoy ny Tompo, dia niala tamin’ny Ray ny Reniny izy ary ireo fianakaviany ; izy lehilahy natoky an’Andriamanitra hatrany am-boalohany. Tsy mba namaly na nanana fisalasalana tamin’izay baikon’Andriamanitra rehetra fa dia nankatò sy ananaraka mandrakariva izay notenenin’ny Tompo taminy. Hitantsika eto amin’ity tenin’Andriamanitra ity izany fankatoavany Azy izany. Nangatahin’Andriamanitra ny zanany lahitokany sady tiany, marihina moa fa iAbrahama sy Saharaha vadiny dia samy efa antitra no nanana an’i Isaka izay zanany lahitokana. Ry havana, tena manam-pitiavana sy manam-pinoana tokoa raha i Abrahama, tsara alaina tahaka sy angalana fampianarana izany, satria izany koa no toetran’i Jesosy ilay tonga tety ambonin’ny tany, nanaiky ny nanirahan’ny Ray azy ka nanao ny sitrapon’ny Ray. Eto dia nasain’Andriamanitra natao fanatitra dirana ny zanak’i Abrahama lahitokana, fa hoy Jehovah Ray taminy « Ento ny zanakao, ny lahitokanao izay tianao, dia Isaka ka mankanesa any amin’ny tany Moria ; ary atero any izy ho fanatitra dorana ao amin’ny tendrombohitra anankiray izay holazaiko aminao. ». Tsy mba namaly na nametraka fanotaniana i Abrahama tamin’izany, na nisalasala fa dia nanaiky avy ahtrany. Moa ve ry havana raha hianao no tratran’izany raha isika no tratran’izany hoe omeo aty ny zavatra izay sarobidy indrindra amintsika ka homena ilay Nahary dia Andriamanitra Ray, inona no hataontsika, moave hanaiky avy hatrany tahaka an’i  Abrahama, raha isika no tratran’izany dia mety himonomonona hoe : « Tena Andriamanitra mila voatsiary koa izany, efa antitra aho no nomeny an’io zaza io ; nefa izao indray alainy hatao sorona hoazy ? » nefa ry havana i Abrahama dia tsy nanana fisalasalana, tsy nanana fandavana eny fa na dia kely fotsiny aza ; tsy nimonomonona. Eny fa na dia niainga teo amin’ny tanàna misy azy aza izy ireo dia tsy niteny tamin’ny vadiny akory hoe : « Hoentina hatao sorona anie ny zanank’izy ireo lahitokana ; fa dia nandeha am-pinoana sy tsy amim-pisalasalana ihany koa Izy. Eny fa na dia ny zanany lahitokana aza dia tsy nahalala izay hatao sorona, satria izy dia nanotany hoe : « Ry ikaky ô ! dia hoy izy : Inty aho, anaka. Ary hoy izy : Indreto ny afo sy ny kitay ; fa aisa kosa izay ondry hatao fanatotra dorana ? » fa izy dia natoky tanteraka an’Andriamanitra. Ary mahalala tsara ny toetran’Andriamanitra izy ka dia tsy nanana fisalasalana ; satria Andriamanitra no nanome izany zanany izany. Ary Isaka zanany dia tandindon’i Jesosy Kristy ilay hatao sorona mba hamonjena antsika zanak’olombelona, io ilzay zanak’ondrin’Andramanitra, ila hamonjy sy hanafaka izao tontolo izao, na inona na inona zavatra nitranga dia manana fatokiana ny Tompo foana izy.

       Isika koa ry havana tokony hanana fahatokiana an’Andriamanitra mandrakariva, tsy tokony hisalasala ihany koa, fa manana ny hevitra  iheverany antsika Andriamanitra, nahafoy ny zavatra izay tena sarobidy indrindra taminy koa Izy, dia ny zanany lahitokana, tahaka an’i Isaka ilay lahitokan’i Abrahama, ilay lehilahin’Andriamanitra, sambatra tokoa izay mahatoky an’Andriamanitra, manana fiadanana, feno fahendrena. Koa raiso àry Jesosy Kristy Tompo ilay zanaka lahitokan’Andriamanitra izay efa nafoiny hamonjena antsika, ka nividy antsika tamin’ny Ràny soa teo kalivaria, io tendrombohitry Moria ilay tendrombohitra nanaovan’i Abrahama sy Andriamanitra fanekena, nanaiky ny Tompo fa tena manam-pinoana tokoa izy. Lehilahy matoky Azy, ary azony ilay valisoa lehibe dia ny fananany taranaka maro be, io no tso-dranon’Andriamanitra taminy. Ry havana malala ao amin’ny Tompo, mila matoky an’Andriamanitra ihany koa isika raha te ho voatso-drano,, raha te hanana ny fahasambarana, mila manao ny sitrapon’Andriamanitra mandrakariva isika. Tia antsika ny Tompo, fsika kosa dia mila manana fahasahiana sy fahalalana bebekokoa an’Andriamanitra, mila mahalala bebekokoa ny sitrapon’Andriamanitra dia tsy inona izany fa ny famakiantsika ny tenin’Andriamanitra mandrakariva, satria io no sakafom-panahy, ary io koa no sabatra hoenti-miady. Ka izay manana ny tenin’Andriamanitra dia tsy azo atao na inona na inona. Ity misy fijoroana vavolombelona izay hoentiko aminao hazavana izany fa izay manana ny tenin’Andriamanitra, sy manana an’i Jesosy Kristy Tompo dia tsy azon’ny devoly hatao na inona na inona. « misy olona iray izay tena olona manana an’Andriamanitra, tena manana fiainam-bavaka, sy nanara-dia an’Andriamanitra tokoa izy. Indray andro anefa, raha dra nipetraka irery taoa an-tranony izy dia nisy devoly nandrebireby azy, naka endrika lehilahy tsara tarehy ilay devoly. Dia niresaka taminy, marihina fa efa manambady izy tamin’izany ; notambatambazin’ilay devoly izy fa hoe omany izay ilainy, sy omeny fahafinaretana tsy misy toa izany. Dia nomen’ny devoly azy avokoa izany rehetra izany ary dia lasa tokoa fa tsy naharitra izy, resy lahatra fa tena tsara tokoa raha ny miaraka aminy ; tsy misy toa izany, eny fa na ny vadiny aza dia lasa tsy tiany intsony. Dia niresaka taminy àry ity devoly izay misandoka ity, dia nitory fiatiavana sy nanome fampanantenana be dia be tamin’ilay vehivavy ; rehefa vita ny resaka dia izao no nolazainy, hono hoaho cherie mba afaka miditra ao anatinao aho ve dia amin’izay miaraka foana isika ? Fa homekoa anao avokoa izay ilainao, sy izay tianao. Dia nanotany indray ilay vehivavy hoe oviana àry izany? Dia hoy izy hoe: “Na izao dia izao aza tsy maninona.” Dia nanaiky hoe eny àry. Eto no isarihako ny saintsika ny amin’ny fanantsika an’i Jesosy Kristy Tompo ao anatintsika. Ka rehefa nanaiky azy izy dia eny àry hoy izy fa hiditra aho; nosokafany hoatran’ireny misy fermeture be ireny ny tenako hoy izy, nojereny avy eo, oadray toa misy “grillage” be hoy izy ny tenanao? Izany hoe misy karakara vy, dia nanotany izy hoe: “f’angaha hianao mivavaka” dia  hoe eny Tompoko, namaly indray izy hoe: “Vonona ve ianao, aza mivava-bavaka izany intsony?” “Eny  tompoko hoy ny iray”; dia nalainy ny famaky lehibe ka nokapainy tamin’iny ilay izy, ka henonao miparitaka maneno vy mihitsy; dia afaka indray ireny; dia izay ahay hoy izy afaka miditra amin’izay aho. Vao natsiny ny lohany anefa izy dia hitan’ilay vehivavy ny volo tao amin’ny lamosiny izay mitsangatsangana be, dia nanotaniany hoe: “Fa angaha hianao devoly” dia hoy indray izy hoe: “A, a, a akanjo sendra hitako fotsiny ity dia nanaovako fa hoesoriko rahefa avy eo.” Ary nony tafiditra indray izy dia hitany indray ny fony fa misy Hazo Fijalliana lehibe. Ka nanotany indray izy hoe: Fa angaha ianao mpandray ny fanasan’ny Tompo? Dia hoy indray izy eny tompoko, ka tianao àry ve aza mandray izany intsony manomboka androany; “eny tompoko” hoy koa ny iray. Dia nalainy indray ilay famaky be ka nokapainy tao ilay hazo fijaliana ary dia hita mihitsy ny nangalany azy tao. Rehefa izay dia niditra amin’izay izy. Izany ry havana malala ao amin’ny Tompo no manambara fa isika rehetra izao izay mivavaka sy mandray ny fasan’ny Tompo dia manana antoka tsara; satria Jesosy izay efa ao anatintsika no miaro amin’ny asan’ny satana rehetra, fa matoa izy tafiditra ao anatitsika dia sitrapontsika ny nanao izany.

       Koa ankehitriny àry dia meteza isika hampandroso an’i Jesosy Kristy ao anatintsika, fa Izy irery ihany no toky sy antoka tsara indrindra, meteza hanao toa an’i Abrahama. Inona no tena sarobidy any aminao? Omeo ny Tompo izany. Meteza hifandray mandrakariva aminy ary mivavaha ka aza mitsahatra, na amin’ny fotoana na tsy amin’ny fotoana. Satria arakaraka ny ifandraisanao amin’Andriamanitra sy Jesosy Kristy no mampitombo ny rindrimby ao anatintsika sy ny hazo fijalian’i Jesosy Kristy mirehitra ao anatin’ny fontsika ao. Sambatra izay manana an’i Jesosy Kristy Tompo sy mpamonjy ny fiainanany; sambatra izay manolotra ny fony ho an’Andriamanitra, ny fiainanany manotolo. Lehibe ny fitiavan’Andriamanitra, mbola miantso anao Izy, miantso antsika Izy; mba hiverina aminy indray indrindra fa amin’izao vaninvandro farany izao. Mila miotetra mandrakariva eo anatrehan’Andriamanitra, mila ny fanatrehany isika, mila mampitoetra azy ao am-pontsika. Meteza isika hitoetra amndrakariva eo ankavanan’Andriamanitra, sy eo akaikin’i Jeosy, araka ilay hira iray hoe: “Eo akaikin’i Jesosy Tompo ihany no mahatsara ahy, manompo Azy isanandro isanandroa amin’ny fo madio”, sy ilay hoe: “Eo an-tratranao Jesosy, no mahafinaritra ahy”. Sambatra izay manana an’i Jehovah ho Andriamaniny.

 Hiara-hivavaka isika.

      Ry Tomponay tsara indrindra ô ! Lehibe ny fitiavanao anay, mbola nomenao ny teninao indray tamin’ny andro androany ity. Misaotra anao ilay Tompon’ny tompo, Mpanjakan’ny mpanjaka, Andriamanitra mahery, manana fahendrena. Jesosy ô mifona aminao izahay, mangataka ny famindram-ponao, sy ny hamoram-ponao Jesosy ny main’ny fahotana izay vitanay, isanandro izahay dia ny fahotana no betsaka vitanay. Izany Jesosy no hitondranay ny tenanay eto anoloanao, mba hodiovinao sy hosasanao amin’ilay rànao soa izay nalatsakao teo ambony Hazo Fijaliana; koa ekeo Jesosy ny fifonanay. Ankehitriny dia manavao ny fanoloran-tena eo aminao indray, manavao ny fonay mba hahaizanay mifandray aminao; tano izahay Jesosy fa tsy mahatana anao. Omeo ny Fanahinao Masina hanome hery anay mandrakariva, ka hitoeranay eo anatrehanao, tsy hiodinanay aminao, fa manomboka anio dia hanao ny tsara mandrakariva sy ny sitraponao; hanatanteraka ny didinao. Ka hitory sy hanambara ny filazan-tsara araka ny nanirahanao ireo ny Apostôly. Vonona hanonitra ny andro lasanay rehetra ka hitoetra ao aminao mandrakariva, ampitomboy ny finoanay, apetrao aty mabavanany ny teninao ka hilazanay ny fahalehibeazanao. Koa mandehana mitoria ny filazantsara manerana izao tontolo izao, hoy ianao; ka ampitomboy ny finoanay.

       Dia amin’ny anaranao Jesosy no anaovanay izany vavaka izany, ny voninahitra, Dera, Laza dia ho Anao irery ihany izay efa Anao hatramin’ny taloha indrindra ka ho mandrakizay.

 Amen


RANDRIANANDRASANA Roger

3 votes. Moyenne 1.67 sur 5.

Ajouter un commentaire

Vous utilisez un logiciel de type AdBlock, qui bloque le service de captchas publicitaires utilisé sur ce site. Pour pouvoir envoyer votre message, désactivez Adblock.

Bonjour, bien venu sur le site FPVM Fiombonana Tsarahonenana.

Faly miarahaba anao tonga soa eto amin'ny site FPVM Fiombonana Tsarahonenana. Mirary anao hahazo aim-panahy.