Vaovao 24/04/17 au 30/04/17

Ny vaovao

http://i.skyrock.net/1803/39851803/pics/3155559798_1_12_Vt5SHuHC.gif
 
  

Topic

 

Lioka 19:9

"Ary hoy Jesosy taminy: Anio no tonga eto amin’ ity trano ity ny famonjena, fa izy dia zanak’ i Abrahama koa."

 
Luc 19:9
 

                "Aujourd'hui le salut est venu pour cette maison."                                                                                

Toy izao ny vaovao sy ny fandaharam-potoana mandritra ity herinandro ity

    Alatsinainy     

 6 ora sy sasany: Maraim-baovao + Asa sy fampaherezana

 9 ora: Asa sy fampaherezana

     Talata   

 6 ora sy sasany: Maraim-baovao + Asa sy fampaherezana

 2 ora: Fotoan-tsarobidy

 4 ora: Fianaran'ny Mpiandry sy Mpiomana

     Alarobia

 6 ora sy sasany: Maraim-baivao + Asa sy fampaherezana

 2 ora: Fotoam-pifohazana

 Alakamisy 

 6 ora sy sasany: Maraim-baovao + Asa sy fampaherezana

 2ora: Fianarana Soratra Masina

 4 ora: Fianaran'ny Ketekomena

 4 ora: Fianaran'ny Mpiandry sy Mpiomana

Zoma   

 

 6 ora sy sasany: Maraim-baovao + Asa sy fampaherezana

Asabotsy     

 6 ora sy sasany: Maraim-baovao + Asa sy fampaherezana

 7ora sy sasany: Fampianarana Mpiandry sy Mpiomana

 4 ora: Fianarana Katekomena

 Alahady                        

 6ora sy sasany: Fidirana voalohany 

 9ora sy sasany: Fidirana faharoa

         

           Ny Fiangonana Protestanata Vaovao eto Madasikara,  Fiombonana Tsarahonenana dia faly miarahaba antsika rehetra amin'ny anaran'i Jesosy Kristy Tompo. Ny fahasoavana sy ny fiadanana avy amin'Andriamanitra Ray sy Jesosy Kristy Tompo anie hoaminareo mandrakariva.   

           Ny Fiangonana FPVM Fiombonana Tsarahonenana dia faly mampahafantatra antsika rehetra fa tonga ny fotoana izay anantsika Pasteur raikitra eto amin'ny fiangonantsika. Koa andeha ary hifanotrona ny amin'ny fametrahana an'ny Pasteur Tahiana amin'ny fomba ofisialy eto amin'ny Fiangonantsika. koa samia mitondra am-bavaka ny amin'ny fahatanterahan'izany isika rehetra. Mirary soa hoantsika hanao ny asa izay nampanaovin'ny Tompo antsika. Ny voninahitra dia ho an'Andriamanitra irery ihany

          Filazana ilazana isika rehetra fa ny Fikambanana FOTAN-TSAROBIDY dia hankalaza ny faha folo taonany amin'ity taona 2017 ity, koa manasa anao izay manana olana ara-tokan-trano. Fa natokana hoamin'izany ny fotoan-tsarobidy. Itondranao ireo olanao eo amin'i Jesosy ka hamahana izany. Koa miandry anao Jesosy. Manentana antsika ihany koa hitondra am-bavaka izany rehetra izany ho voninahitr'Andriamanitr'andriamanitra irery ihany.

           Ilazana isika rehetra fa ny Sekoly Alahady dia hankalaza ny faha 5 taonany ihany koa.

          Ry havana malala rehetra ao amin'ny Tompo. misaotra an'Andriamanitra lehibe isika fa tontosa ny déjeuner concert izay natao ny Asabotsy 8 Aprily 2017 lasa teo. Isaorana an'Andriamanitra lehibe izany. Isaorana ihany ny mpanohana rehetra. Isaorana ihany koa ny fiangonana iray manontolo tamin'ny fanohanana ny asan'Andriamanitra. Andriamanitra manakarem-pahasoavana anie hanome anareo sy hanonitra izay laninareo. Ary mbola  betsaka ireo asa miandry antsika koa alao hery àry Miandry anao.Jesosy.

        Mijoroa hatrany fa Andriamanitra velona no tompointsika. Koa mirary soa antsika rehetra ary manao veloma amin'ny anaran'ny Tompo. Ny fahasoavana amam-piadanany anie hoamintsika mandrakariva.

          Ho anao izay mila fitaovana momba ny herinaratra ny "Electricité" dia afaka manome fahafahampo ho anao aho; na "fil electrique, Compteur divisionnaire, cable antenne, Groupe électrogène, sns" izany na ny mombamomba ny fitaovana rehetra izany. Koa antsoy ny laharana an-tarobia 033 14 756 17; Rahalahy Roger. Afaka manao "installation" ihany koa. Marihina fa d'origine Européen ireo rehetra ireo. Manao dépannage Electronique (Radio, Télé, Lecteur, appareil éléctroménager, sns...), et Informatique (Ordinateur, installation, réparation, sns...) 

  

Mpitondra ny hafatra: RANDRIANANDRASANA Roger

moi.jpg

3 votes. Moyenne 5.00 sur 5.

Commentaires (1)

Andry
  • 1. Andry | 17/07/2014

Dia faly miarahaba antsika rehetra indrindra fa ny mpikarakara ny site web ny Fiangonana. Ny fahasoavan'ny Tompo anie hoaminareo mandrakariva ary dia mampahery anareo izahay. Izy anie hanolo-tsaina sy henome fahendrena hoanareo.

Ajouter un commentaire

Vous utilisez un logiciel de type AdBlock, qui bloque le service de captchas publicitaires utilisé sur ce site. Pour pouvoir envoyer votre message, désactivez Adblock.

Date de dernière mise à jour : 24/04/2017

Bonjour, bien venu sur le site FPVM Fiombonana Tsarahonenana.

Faly miarahaba anao tonga soa eto amin'ny site FPVM Fiombonana Tsarahonenana. Mirary anao hahazo aim-panahy.